Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA DIKELEDI: Olona 03 namoy ny ainy, 1 702 traboina vokatry ny tondra-drano
Mitohy ny fanangonana ny antontanisa mikasika ny akon’ny fandalovan’ilay rivodoza Dikeledi, tany amin’ny tapany Avaratry ny Nosy. Hatramin’ny omaly hariva, dia olona 03 no namoy ny ainy, 999 ny isan’ny traboina. Vokatry ny fiakaran’ny rano sy ny fahasimbana fotodrafitrasa no nahatonga ny fahafatesana sy ny traboina…
Niditra an-tanety tao amin’ny Kaominina Ampisikinana, Distrikan’i Vohemar, ny alin’ny sabotsy 11 janoary 2025, manodidina ny tamin’ny 07 ora sy sasany teo, ilay rivodoza Dikeledi, tamin’ny heriny « Cyclone Tropical » izay 130 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 180 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 10 Km/ora. Hatramin’ny omaly hariva, dia nahazoana akony sahady ny fandalovan’ity rivodoza ity tao amin’ny tapany Avaratry ny Nosy. Namoaka antontanisa, araka izany, ny teo anivon’ny BNGRC, izay nilaza, fa miisa 03 ireo maty, tao amin’ny Distrikan’i Maroantsetra sy Antsiranana II nandritra ny fandalovan’ity loza voajanahary ity tany an-toerana. Raha ny mombamomba azy ireo, dia fantatra, fa iray lehilahy 54 taona, monina ao amin’ny Kaominina Rantabe, Distrikan’i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo. Ity farany, izay voalaza fa maty lasan’ny rano. Faharoa, lehilahy 33 taona, Mpampianatra, monina ao amin’ny Fokontany Ambodimanga, Kaominina Ambodimanga, Distrikan’i Maroantsetra, Faritra Analanjirofo. Izy io, izay voalaza ihany koa fa maty nentin’ny rano. Ny farany, lehilahy 99 taona, monina ao amin’ny Fokontany Ambondromifehy, Kaominina Anivorano Nord, Distrikan’Antsiranana II, Faritra Diana. Ity farany, izay voalaza fa maty nianjeran’ny hazo ny trano fonenany. Nambaran’ny loharanom-baovao iray avy tany an-toerana, fa efa hita ny fatin’ny roa tamin’ireo telo lahy namoy ny ainy.
1 050 amin’ireo traboina ao SAVA
Nahatratra 1 702 na tokantrano 398 no traboin’ny rivodoza Dikeledi, antontanisa voaray hatramin’ny omaly hariva, tamin’ny 04 ora sy sasany teo anivon’ny BNGRC. Ny 11 tao amin’ny Faritra Analanjirofo, 641 tao Diana, ary 1 050 tao SAVA. Nisy olona nafindra toerana azo antoka miisa 257, izany hoe tokantrano 52. Ny 239 tamin’ireo ao Vohemar, 12 Ambilobe, ary 06 ao Nosy Be. Ireto olona nafindra, izay natoby tamina toerana azo antoka miisa 05. Trano 330 dibo-drano, raha 58 nahitana fahasimbana. Nisy trano 10 simba tanteraka. Ankoatr’ireo dia nahitana fahasimbana koa ny lalam-pirenena fahaenina (RN6) eo amin’ny PK 537+329 noho ny fianjeran’ny hazo, omaly alahady 12 Janoary, tamin’ny 03 ora maraina. Voaelingelina ihany koa ny lalam-pirenena fahadimy (RN5A) eo amin’ny PK 174+500 ao amin’ny Fokontany Manambery, Kaominina Ampondra, distrikan’i Vohemar, vokatry ny fiakaran-drano manapaka ny arabe, nanomboka omaly, tamin’ny 06 ora maraina.
Vaovao farany…
Raha ny vaovao farany azo teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly tamin’ny 04 ora hariva, dia tany amin’ny 283 km avaratr’i Besalampy no nisy ny foiben’i Dikeledi. 90 km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125 km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana somary atsimo andrefana ny diany, ka nahafaka 34 km/ora. Miverina mitoetra indray ny oram-baratra manomboka omaly io, ka mety hanatombo ny rotsak’orana amin’ny faritra maro, indrindra any avaratra andrefana. Hikorontana ihany koa ny toetry ny andro an-dranomasina, any amin’ny morontsiraka avaratra sy afovoany andrefana. Foana tamin’io fotoana io ny filazana loza rehetra voarain’ny faritra sy distrika teo aloha, saingy misy ny fampitandremana amin’ny mety ho fahabetsahan’ny rotsak’orana.
Nangonin’i Stan R.




