Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA DUMAKO: Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’Antalaha sy Ste Marie anio
Tany amin’ny 524 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’I Ste Marie no nisy ny foiben’ilay rivodoza Dumako omaly tamin’ny 04ora tolakandro. 75 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 100 Km/ora. Tombanan’ny foibe mpamantatra ny mety ho toetry ny andro hiditra an-tanety anio eo anelanelan’Antalaha sy Ste Marie ny foiben’ity rivodoza ity. Efa nahazo filazana loza manambana miloko mavo, hatramin’ny omaly, ny Faritra Sava, Analanjirofo, ary ny distrikan’i Toamasina I-II.
Raha toa ka mbola tsy tafarina akory ny Faritra maro noho ny takaitra navelan’ny rivodoza Batsirai herinandro mahery lasa izay, tonga indray i Dumako, ilay andro ratsy niforona tao amin’ny ranomasimbe indianina, andro vitsy lasa izay. Feno ny fepetra maha rivodoza azy na dia malefaka aza ny heriny raha mitaha tamin’ny rivodoza Batsirai. Araka ny tatitra omaly tamin’ny 4ora tolak’andro, tany amin’ny 524 Km Atsinanana somary Avaratra Atsinanan’I Ste Marie no nisy ny foiben’i Dumako. 75 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 100 Km/ora. Mikisaka miakandrefana somary Atsimo Andrefana izy ka mahafaka 29 Km/ora. Tombanana hiditra an-tanety eo anelanelan’Antalaha sy Ste Marie anio tolakandro na alina izy amin’ny tanjaka 65 Km/ora. Ho betsaka kokoa ny rotsak’orana manodidina ny Faritra Analanjirofo sy Cap Masoala izay hidirany (>150 mm).
Hahatratra hatramin’ny 2 na 3 metatra ny haavon’ny alon-drano
Eo anatrehan’izany, mihatra ny filazana loza manambana miloko mavo ho an’ny Faritra Sava sy Analanjirofo, ary ny Distrikan’i Toamasina I-II. Filazana fanairana miloko maitso kosa no azon’ny Faritra Diana, ny Distrikan’i Bealanana, Befandriana Avaratra, Mandritsara, Andilamena, Amparafaravola, Ambatondrazaka, Brickaville. “Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Brickaville sy Vohémar dia entanina mba tsy hiandriaka intsony satria hiharatsy ny toetry ny andro”, araka ny tatitra hatrany.
Tsara ho fantatra fa omaly ihany dia efa nisy ny filazana fampitandremana mahakasika ny haavon’ny alon-drano nataon’ny Météo Madagascar. Voalaza tao anatin’izany fa hikorontana ny toetry ny andro amin’ny morontsiraka afovoany sy avaratra-atsinanana noho ny fanatonan’ilay faritra andro ratsy amin’ny manodidina an’Antalaha. Mety hahatratra hatramin’ny 2 na 3 metatra ny haavon’ny alon-drano. Mahazo filazana fampitandremana araka izany ny mpampiasa ranomasina amin’ireo faritra voatonona ireo. Etsy andanin’izany, hahery be ny rivotra ka mety hahatratra hatramin’ny 60 na 75km/ora manomboka anio tolakandro.




