Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA HONDE: Namela takaitra goavana ho an’Atsimo Andrefana, olona 17 477 traboina
Nahazoana akony sahady ny fandalovan’ilay rivodoza mahery “Honde” tao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, omaly. Tsy mora ny fiatrehan’ny mponin’i Toliara ny vokatry ny fandalovan’ity rivodoza iray ity, satria maherin’ny 17 470 sahady ny olona traboina. Miha manalavitra ny morontsiraka i Honde…
Na dia tsy tafiditra an-tanety tao Atsimon’ny Nosy aza, ilay rivodoza mahery “Honde” dia nampitondra takaitra sahady ny ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana. Ny rahona sy ny tafiotra miaraka aminy no fantatra fa nipàka tamin’ny morontsiraka Atsimo Andrefan’ny Nosy iny, ka izao niteraka voka-dratsy izao sahady. Rotsak’orana be, rivotra nifofo, ireo nitambatra no niteraka tondra-drano tamina tanàna maro ao Toliara, raha ny fampitam-baovao voaray avy tany an-toerana. Tsy vitan’izay, fa maro ireo renirano efa niakatra, hatramin’ny omaly maraina, anisan’izany ny reniranon’i Fiherenana. Vokatr’izany, dia maro sahady ireo traboina, izay mahatratra 14 477 na tokantrano 4 557 vokatry ny trano dibo-drano tsy afaka nitoerana intsony, ny trano rava, ny fianjeran’ny hazo sy fotodrafitrasa. Maro ireo naratra, izay mahatratra 42. Ny ao Toliara II no maro traboina indrindra amin’izao fotoana, izay mahatratra 11 308. Traboina 2 553 Toliara I, 1 573 Ampanihy Andrefana, 1 133 ao Manja, 800 Betioky Atsimo, ary 110 ao Benenitra. Olona mahatratra 7 071 mandrafitra fianakaviana 1 942 amin’izao fotoana no efa nafindra toerana azo antoka. Araka izany, “Sites” miisa 10 no efa am-perinasa amin’izao fotoana raha ny fandrindrana mikasika ny fandalovan’i Honde ity. Treano 2 449 no dibo-drano, 210 niharam-pahavoazana, ary 362 simba tanteraka.
Miha manalavitra ny morontsiraka Atsimo…
Raha ny toerana farany nahitana an’i Honde dia nambaran’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly hariva, tamin’ny 04 ora, fa miha manamavitra ny morontsiraka atsimon’ny Nosy i Honde. Omaly tamin’ny 03 ora tolakandro, araka izany, dia tany amin’ny 105 Km atsimon’i Bevoalavo, Distrikan’Ampanihy no nisy ny foiben’ilay rivodoza. Mahery ity rivodoza ity, amin’ilay antsoina hoe « Cyclone Tropical » amin’ny sokajy misy azy. 120 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 165 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka nianatsimo atsinanana hatrany izy ka nahafaka 10 Km/ora. Mitoetra amin’ny faritra Androy sy ny distrikan’i Ampanihy ny rindrin-drahona miaraka amin’ity rivodoza ity, izay miteraka tafiotra mety mihoatra ny 90 Km/ora. Hikija hatrany ny rotsak’orana, hahatratra 60 ka hatramin’ny 120 mm anaty 24 ora, hatramin’ny anio sabotsy 29 febroary. Ahina hatrany, noho izany, ny tondradrano sy ny fiakaran’ny renirano ary ny ranomasina, ary ny fihotsahan’ny tany sy lalana amin’ireo toerana marefo. Na izany aza, vinavinaina hanalavitra miandalana ny morontsiraka Atsimo i Honde anio tolakandro. Tsy misy fiovana ihany koa ny filazana loza, dia ny loza mitatao miloko mena ho an’Androy, Toliara I sy II, Ampanihy, ary Betioky Atsimo. Loza manambana miloko mavo kosa, ho an’Anosy sy Benenitra. Entanina hatrany ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy ka hatrany Vangaindrano mba tsy hiandriaka mandra-pahalasan’ny loza. Araho mandrakariva ny toro-marika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.
Nangonin’i Stan R.




