Songadim-baovaoSosialy

RIVODOZA « JUDE » : Hiverina ao amin’ny Lakandranon’i Mozambika, hanambana ny faritra atsimo andrefan’ny Nosy

Mivoatra an-tanety miandalana any Mozambika ilay rivodoza Jude ary mbola any an-toerana no misy ny foibeny. Sokajiana ho “Forte Tempête Tropicale” izy ankehitriny. Araka ny filazana avy amin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro omaly dia any amin’ny manodidina ny 675Km andrefana somary avaratra andrefan’i Besalampy no misy ny foiben’i Jude. 110Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 155Km isan’ora. Mikisaka miankandrefana somary atsimo andrefana izy ka mahafaka 10Km isan’ora. Araka ny vinavinan’ireo teknisianin’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, noho izany, dia tombanana hivoaka an-dranomasina amin’ny alakamisy maraina indray izy.

Rehefa tafavoaka an-dranomasina i Jude dia hizotra mianatsimo atsinanana ka hanambana ny morontsiraka atsimo andrefan’i Madagasikara, manomboka amin’ny zoma ho avy izao. Any amin’iny Faritra  Atsimo Andrefana iny rahateo no mety hidirany an-tanety. Na izany aza dia mbola tsy misy aloha hatreto ny filazana loza mahakasika io rivodoza io eto Madagasikara. Tokony hiomana sahady anefa ny mponina, indrindra any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy, mba hanaraka akaiky ny fiovaran’io rivodoza io sy hanaraka ny toromarika avy amin’ny tompon’andraikitra.

Mandritra ity herinandro ity, noho izany, dia ny fisian’io rivodoza Jude io hatrany no hamaritra ny toetry ny andro any amin’ny ilany andrefana, ny atitany ary ny tapany atsimon’ny Nosy. Ho maina tsikelikely kosa amin’ny ankapobeny ny any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana. Mahakasika ny maripana dia hisy fidinana ny maripana ambony any amin’ny ilany andrefana sy atsimon’i Madagasikara mandritra ity herinandro ity. Hisy fiakarany miandalana kosa ny maripana ambony indrindra any amin’ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana. Manodidina ny 13 hatramin’ny 27°C ny maripana ankapobeny eto Madagasikara amin’ny maraina. Eo anelanelan’ny 25 hatramin’ny 37°C kosa ny tolakandro.

S.S

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer