Songadim-baovaoSosialy

RIVODOZA “JUDE” : Manambana ny tapany Atsimon’ny Nosy indray, efa mandeha ny fiomanana

Mbola mivoatra any Mozambika hatrany i JUDE hatramin’ny omaly. Tamin’ny 09 ora maraina omaly dia tany amin’ny 1130 Km avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny. 45 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 55 Km/ora any an-dranomasina. Rahampitso no tombanana hahakasika an’i Madagasikara indray ity rivodoza ity. Efa miomana ny Fanjakana…

Manoloana ny ho fiverenan’ny rivodoza Jude hihazo ny faritra Atsimon’ny Nosy, dia fantatra, fa efa nivonona ny Fitondram-panjakana, manoloana ny mety ho takaitra entiny. Na ara-pitaovana, na ara-olona, na ara-teknika rehetra, dia fantatra, fa efa anatin’ny fiomanana sy ny fahavononana avokoa ny eo anivon’ny BNGRC, raha ny fampahafantarana nentin’ny tompon’andraikitra, tamin’ny alalan’ny Tale jeneraliny, ny Jeneraly Elack Olivier Andriakaja. Raha tsiahivina moa, dia efa nandalo teto Madagasikara ity rivodoza Jude ity, saingy mbola Andro ratsy tamin’ny herinandro lasa. Rehefa tafavoaka tao amin’ny lakandranon’i Mozambika kosa, izy, dia nahazo hery ka nanana anarana “Jude”, ary niditra tany Mozambika, efarana izay. Raha ny vinavinan’ny Sampan-draharaha famantarana ny toetry ny andro dia niala an’i Mozambika alina na anio maraina io rivodoza io, ka hihazo mivantana ny atsimon’ny Nosy, aorian’ny famakivakiany ny lakan-dranon’ny Mozambika, rahampitso zoma 14 marsa, amin’ny tanjaka « Tempête tropicale modérée ».

 

Faritra enina mila mitandrina

 

Efa anatin’ny fomba fiatrehana rivodoza tanterahin’ny BNGRC ny fiomanana mialoha amin’ity rivodoza Jude ity, hoy ny Tale jeneralin’ny BNGRC, omaly, teny Antanimora foibeny. Eo koa anefa, ny fanohanan’ireo mpiara-miombon’antoka aminy, izay manao ny ainy tsy ho zavatra ihany koa. Isan’izany ny fanamafisana ny fanentanana amin’ireo faritra mety ho voakasik’ity rivodoza ity, izay nahazo filazana loza manambana sahady, ho an’ny Faritra Atsimo Andrefana, Anosy, Atsimo Atsinanana, Menabe, Androy, ary Ihorombe. Nahazo filazana loza fanairana miloko maitso kosa, ny ao amin’ny distrikan’i Morondava, Manja, Ihosy, Iakora, Befotaka, Midongy Atsimo, ary Vangaindrano.

 

Fepetra maro efa noraisina

 

Manoloana ny mety ho fiantraikan’ny rivodoza ity dia efa nandray fepetra maro ny eo anivon’ny BNGRC, manoloana ny fanamafisana ny fiarovana mialoha. Anisan’izany ny fametrahana sakafo vonjimaika any amin’ireo toerana ahina ho voa mafy, fa indrindra ao amin’ny distrikan’I Morombe sy Toliara I, II mba tsy hampijaly ireo mponina mety ho traboina. Teo koa ny fanaraha-maso ny toetry ny rano sy ny fanomanana fitaovana fanalana rano amin’ireo faritra hatahorana hisy tondra-drano, izay efa nametrahana fitaovana antsoina hoe “moto pompe” lehibe any an-toerana. Eo koa ny fanaraha-maso ireo fefiloha izay mety ho tratran’ny fiakaran’ny rano, hisorohana ny fahapotehana sy ny fahavoazana ho an’ny mponina sy ny fambolena. Ankoatr’izay, ny fiomanana amin’ny onjan-dranomasina mety hiakatra avo hatramin’ny 3,5 ka hatramin’ny 04 metatra ao amin’ny morontsiraka Atsimo andrefana, Morondava, Beloha sur Tsiribihina, Saint Augustin, Manombo, ary Faux Cap, sy ny sisa. Tsy niandry ela ihany koa, fa nisy avy hatrany famoriana ireo tompon’andraikitry ny loza sy ny tandindon-doza tany amin’ireo faritra heverina ho voakasik’ity rivodoza hitampody ity, izay notanterahin’ny BNGRC, izay nanomezana toromarika samihafa. Teo koa ny fanamafisana ny ara-olona niainga avy aty Antananarivo, nanamafy ny isam-paritra mety ho voakasika. Araka izany, eo am-piandrasana ny fivoaran’ny rivodoza “Jude” dia efa vonona amin’ny fandraisan’andraikitra ny BNGRC sy ny tompon’andraiki-panjakana isan-tokony any amin’ireo faritra mety ho voakasik’izany, araka ny vinavinan’ny CERVO eo anivon’ny BNGRC. Izany dia ho fahatanterahan’ny tarigetra hoe “Izay tsara fiomanana tsy ho tapohin’ny loza”.

 

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer