Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA JUDE: Tombanana hiditra an-tanety ao Toliara I sy II anio alina na rahampitso vao maraim-be
Naharaisana vaovao ny teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly tamin’ny 04 ora hariva, mikasika ilay rivodoza Jude. Omaly tamin’ny 03 ora tolakandro dia tany amin’ny 610 Km andrefana somary avaratra andrefan’i Morombe no nisy ny foibeny. Mahatratra 75 Km/ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 100 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana somary atsimo atsinanana izy ka nahafaka 13 Km/ora. Tombanana hiditra an-tanety ao amin’ny Distrikan’i Toliara I-II ity rivodoza ity, anio alina na rahampitso sabotsy vao maraim-be, ary amin’ny tanjaka “Forte Tempête Tropicale” manodidina ny 90 Km/ora ny rivotra miaraka aminy.
Manoloana ny rotsak’orana betsaka hoentin’i Jude, izay haherin’ny 80 mm ao anatin’ny 24 ora dia ahina ny tondra-drano, fiakaran’ny renirano, ny fihotsahan’ny tany sy ny lalana amin’ireo toerana marefo sy mora tondraka. Mety hihoatra ny 05 metatra ny alon-drano miaraka amin’io rivodoza io ka hiteraka fiakaran’ny ranomasina, fa indrindra manakaiky ny toerana hidirany an-tanety.
Mihatra noho izany ny filazana loza, ka naharay loza manambana miloko mavo ny ao amin’ny Faritra Atsimo Andrefana, Androy, Distrikan’i Morondava ary Manja. Naharay filazana loza fanairana miloko maitso kosa, ny Faritra Anosy, distrikan’Ihosy, Befotaka, Midongy Atsimo, ary Vangaindrano. Entanina hatrany ny mpampiasa ranomasina manomboka eo Besalampy ka hatrany Tolagnaro mba tsy hiandriaka intsony mandra-pahalasan’ny loza. Toy izany koa ny eo anelanelan’i Tolagnaro sy Mahanoro, manomboka anio maraina. Ny rehetra dia manana adidy hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefan isan-tokony.
Nangonin’i S.R




