Songadim-baovaoSosialy
RIVODOZA MAHERY VAIKA: Tombanana hiditra an-tanety ny Talata izao i Emnati
Tsy mety afa-bela i Madagasikara. Raha toa ka tsy mbola tafarina akory ireo takaitra navelan’ny Rivodoza roa farany nandalo teto amintsika, ankehitriny, efa miala any indray ny Rivodoza manaraka, dia i Emnati, izay sokajian’ny Foibe mpamantatra ny toetry ny andro ho mahery vaika. Ny Talata ho avy izao no vinavinaina hiditra an-tanety eo anelanelan’i Toamasina sy Vohipeno ny foibeny amin’ny tanjaka “Cyclone Tropical Intense” na Rivodoza Mahery Vaika (165 Km/ora).
Nisy ny filazana manokana momba ny toetry ny andro omaly tamin’ny 04ora tolakandro, navoakan’ny foibe mpamantatra ny toetry ny andro (Météo). Araka ny fampitam-baovao, nitombo hery hatrany i EMNATI ka lasa “Cyclone Tropical”. Tany amin’ny manodidina ny 1 285 Km atsinanan’Antalaha no nisy ny foibeny omaly tamin’ny 04ora hariva. Niakatra ho 120 Km/ora ny rivotra entiny izay arahina tafiotra 170 Km/ora. Mikisaka miakandrefana somary atsimo-andrefana izy ka mahafaka 17 Km/ora. Manambana ny morontsiraka atsinanana i Emnati ka ahiana hiditra an-tanety eo anelanelan’i Toamasina sy Vohipeno ny Talata faha 22 Febroary ho avy izao amin’ny tanjaka “Cyclone Tropical Intense” na Rivodoza Mahery Vaika (165 Km/ora).
Mbola ho maina ny faran’ny herinandro ity
“Ho fiomanana sahady dia entanina ireto Faritra manaraka ireto mba hampihatra ny fepetra mikasika filazana fanairana miloko maitso: Analanjirofo, Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany Ary Atsimo Atsinanana. Iangaviana araka izany ireo mponina voakasiky ny filazana mba hanaraka tsara ny toromarika omen’ny Manam-pahefana eny ifotony” hoy ny fanambaran’ny Météo. Raha ny fanazavan’ny teknisianina dia hanomboka hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina ny Alahady ho avy izao. Saika mbola ho maina kosa ny toetry ny andro manerana ny Nosy amin’ity faran’ny herinandro ity. Ho an’ny alahady ho avy izao, saika mihamaina ny ankamaroan’ny Faritra eto amin’ny Nosy. Mety hisy orana tandrifindrahona ihany ny manodidina an’i Ranohira sy ny ati-tanin’i Menabe. Handrahona mety arahina tandrifindrahona koa ny morontsiraky ny Faritra Atsinanana. Ny alatsinainy kosa, tombanana hanorana miatoato ny ilany atsinanan’ny Nosy sy ny ilany atsinanan’ny afovoan-tany. Ny ilany andrefana sy ny avaratra-andrefana kosa, ho maina ny andro.



