Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ROA LAHY SARONA TENY TANJOMBATO: Efa nahazo 03 Tapitrisa Ar tamina Merkiora sandoka
Roa lahy mpisoloky 17 sy 18 taona, no saron’ny Mpitandro filaminana teo am-panaovana ny asa ratsiny, teny Saropody Tanjombato, ny marain’ny alarobia 12 jona lasa teo. Ireto farany, izay misoloky milaza ho manana merkiora, ary mitady olona hividy izany. Hatramin’ny nanombohan’izy ireo nanao izao asa ratsy izao no efa nahazoany vola mitentina 03 tapitrisa Ariary, tamin’ireo olona tratran’ny lainga tsara lahatr’izy ireo, saingy izao tratran’ny velam-pandriky ny Polisim-pirenena izao ihany. Rehefa azo tamin’ny fisamborana natao izy ireo dia nentina nihazo ny Kaomisaria Ambohijatovo nanokafana fanadihadiana. Fantatra kosa, fa efa tonga nametraka fitoriana ireo olona efa lasibatr’izy roa lahy tamin’io fisolokiana io. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha aorian’ny fanadihadiana savaranonando.
Stan R.



