PolitikaSongadim-baovao

ROA TAONA TEO AMIN’NY FITONDRANA : Manamafy ny Velirano nataony ny Filoha Andry Rajoelina

Roa taona katroka omaly ny nanaovan’ny Filoha Andry Rajoelina ny fianianana teo anatrehan’ny Vahoaka malagasy rehetra amin’ny maha Filoham-pirenena azy. Betsaka ny asa vita nandritra izay roa taona izay, na dia nosembanin’ny krizy ara-pahasalamana vokatry ny Covid-19 aza isika. Omaly, tany Tolagnaro, mbola nanamafy ny fanamby sy ny Velirano nataony ny Filoha Andry Rajoelina, fa hanao ny ezaka rehetra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Nanamafy ny Velirano nataony hanao ny ezaka rehetra hampandrosoana an’i Madagasikara ny Filoha Andry Rajoelina, miaraka amin’ny Ministra notendreny sy ireo tomponandraikitra isan-tsokajiny,  omaly. Ny datin’ny 19 janoary omaly izay nanamarika ny faharoa taonan’ny fanaovany fianianana sy ny fandraisana ny fitondrana. « Tsy maintsy mandroso i Madagasikara », hoy izy. Fotoana izay nanamafisany fa hitondra fampandrosoana mipaka ho an’ny isambatan’olona ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy rehetra. Nambarany fa efa maro be ireo tetikasa nentiny ho fanajany ny velirano nataony tao anatin’izay roa taona lasa izay. Mbola ho maro be ihany koa ny tetikasa hafa hatao hahatrarana an’i Madagasikara mandroso sy hanarenana ny fahataran’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Tsy kisendrasendra, araka izany, ny datin’ny 19 janoary 2021, nentina nanamarihana ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2021-2022 fa nentin’ny Filoha nanamafisana izany veliranony izany.

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo

Tetsy ankilany, mbola nohamafisin’ny Filoha Andry Rajoelina, tamin’ny fanamafisana ny fanohanana ireo ianjadian’ny Kere any Atsimo ihany koa, ny fanamby efa napetrany roa taona lasa izay. Tsara ho fantatra fa isany nanatrika ny fiaingana voalohany ireo fiarabe kamiao miisa 10 ho any Atsimo ny Filoha. Notanterahina teo anoloanan’ny Lapan’i Tanàn’i Tolagnaro ny lanonana ho fandefasana ny « Caravane du Sud » tarihin’ny Ofisy nasionaly momba ny sakafo na ny ONN. Tanjona napetraky ny Filoha, sady tompondaka amin’ny ady amin’ny tsy fanjariantsakafo, ny hiadiana sy ny hanafoanana ny kere any Atsimon’ny Nosy. Natao ho fitaterana sakafo sy fanafody ho an’ny mponina tratry ny haintany sy ny tsy fahanpiantsakafo araka izany ny “Caravane du Sud ». Hitatitra vary 1160 taonina, menaka 24.000 litatra, rano ho an’ny tokantrano mihoatry ny 50.000 ary fanafody ny caravane. Olona miisa 300.000 no hisitraka ny fanampiana izay haharitra azy ireo iray volana. Natao ho an’ny 75 andro kosa ny rano. Hitohy hatrany ny famatsiana sakafo sy rano ho azy ireo ao anatin’ny volana vitsivitsy. Faritra roa, ahitana Androy sy Anosy, izay voakasiky ny haintany sy ny tsy fanjariantsakafo, no hisitraka izany.

Hanomboka ny fanamboarana ny RN13

Nandritra ny fandalovany tao Fort-Dauphin, nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny kianjan’i Tolagnaro sy ny fananganana ny Gymnase ARENA SPORT eo Ampasakay ny Filoha. Efa voapetaka ny “terrain synthétique” ao anatin’ny kianja veliranon’ny Filoha. Efa mandeha ihany koa ny fananganana ny Gymnase izay mbola fampanantenana nataon’ny Filoha. Hahazaka toerana 1000 isa ny Fotodrafitrasa rehefa vita. Manoloana ireo milaza fa tsy Ilaina ny fananganana Fotodrafitrasa, nanambara ny Filoha fa fotoana izao hametrahana sy hananganana Fotodrafitrasa maharitra ho an’ny taranaka. Ny fotodrafitrasa rehetra apetraka dia hitondra fampandrosoana sy ho tombontsoa ary indrindra hitoetra ho an’ny taranaka. Nitokana ny lalana rarivato Ampasakay ihany koa ny Filoha nandritry ny diany tao Tolagnaro. Mirefy 2 km 100 metatra ny lalana. Vita rarivato, misy lalana natokana ho an’ny mpandeha an-tongotra ary nasiana jiro manazava ny lalana. Tafiditra ao anatin’ny toromariky ny Filoha ny fanamboaran’ny Governoram-paritra lalana 10km isantaona ka isany fahatanterahan’izany ny lalana rarivato ao Ampasakay. Nanome baiko ihany koa ny Filoha ny hahavitan’ny lalana 10 km isaky ny distrika manomboka amin’ity taona ity ary ao anatin’ny telo taona. Hatao rarivato ny lalana ary hahatratra 1190 km ny lalana ho vita isan-taona. Nambaran’ny Filoha ihany koa fa hatomboka amin’ity taona ity ny lalampirenena faha-13 mampitohy an’i Tolagnaro sy Ambovombe. Roa taona izay no nitondrana ny firenena ka misy hatrany ny fomba fiasa takiana isan-taona. Natao ho fotoana hametrapetrahana ny lamina asa ny taona voalohany. Miatomboka mafimafy ny asa ny taona faharoa. Miditra amin’ny hazakazaka mafy ny fanatanterahana ny asa amin’ny taona fahatelo. Efa asa goavana kosa no vita amin’ny taona fahefatra. Ary efa tsy tratry ny hafa kosa ny asa vita amin’ny taona fahadimy, hoy hatrany Filoha.

Fermer