Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ROA VAVY MPIANAKA VOASAMBOTRA: Nanao horonantsary mamoafady tamin-janany kely mianadahy
Nasesi-doza ahoana loatra? Roa vavy mpianaka nahavita nampianatra vetaveta sy nanao horonan-tsary mamoafady an-janany mianadahy kely, tany Nosy Be. Tsy ela dia voasambotra ireo tompon’antoka voalaza taorian’ny fiparitahan’ilay sary mamoafady tao anaty “facebook”. Horonan-tsary izay voalaza fa hamidin’izy mianaka ireto amina teratany vahiny…
Nahatalanjona ny mpanara-baovao an-tambazotran-tserasera ny nahita ny fiparitahan’ny sary mamoafady atao amin-jaza izay nataona vehivavy roa voalaza fa mpianaka, 51 sy 26 taona, tany Nosy Be, ny faran’ny herinandro lasa teo. Raha ny fantatra, dia fampianarana ankizilahy kely hanao vetaveta, ary raketina anaty horonan-tsary avy eo no nataon’ireto vehivavy roa ireto, izay nanaitra sy nanohina ny maro. Teratany vahiny moa, no amarotan’izy ireo izany horonan-tsary izany, raha ny tatitra voaray hatrany. Hita tany anaty fanehoan-kevitra samihafa, araka izany, ny fiantsoana ny Fitondram-panjakana handray andraikitra faran’izay haingana. Ny andron’ny omaly alahady ihany, dia fantatra, fa voasambotra ireto vehivavy voalaza ireto, ary tamin’ny nisamboran’ny mpitandro filaminana ilay vehivavy lehibe no voalaza fa mbola nahitana zaza miisa 04 niaraka taminy, ka ny 02 tamin’ireo dia zaza mpianadahy, 05 taona lahikely sy 07 taona vavikely, izay voalaza fa zafikeliny ihany. Izy mianadahy voalaza farany ireto no nambara fa niharan’ny asa ratsy mamoafady io, hita anatin’ny horonan-tsary. Ireo zaza ihany koa, dia voalaza fa zanak’izy ireo ihany. Ity vehivavy 26 taona ity, dia fantatra, fa ten am-pitsoahana hiala ny seranan-tsambon’Ankify, no tratran’ny mpitandro filaminana ka nosamborina avy hatrany, omaly tolakandro. Tsy mijanona hatreo ity raharaha ity fa mitohy ny fanadihadiana amin’izao fotoana. Andrasana ny mety ho tohiny.
Henjana ny sazy mety hihatra…
Manamafy hatrany ny ady amin’ny herisetra sy ny fanararaotana mamoafady mianjady amin’ny zaza tsy ampy taona ny Fitondram-panjakana ankehitriny, raha tsiahivina. Misy araka izany, ny lalàna mifehy ny heloka anabaka mikasika ireny karazana fandikan-dalàna atao amin’ny zaza tsy ampy taona ireny, eo anatrehan’ny fanaparitahana sary sy horonan-tsary tsy mendrika an-tambazotran-tserasera, dia ny lalàna laharana 2014-006, ao amin’ny andininy faha 22. Hita ao anatin’izany, fa ny fanaovana horonan-tsary manana endrika mamoafady mampiseho an-tsehatra ankizy ny fampisehoana amin’ny fomba rehetra, ankizy manao fihetsiketsehana momba ny firaisana ara-nofo mivantana, tena izy na miafina, na izay rehetra fampisehoana ireo taovam-pilahiana na fivavian’ankizy iray, izay manana tanjona filāna ara-nofo dia sazian’ny lalana 02 hatramin’ny 05 taona an-tranomaizina, miampy fandoavana onitra 2 000 000 ka hatramin’ny 10 000 0000 Ariary. Mikasika ity raharaha iray ity, dia azo vinaniana ho teratany vahiny no ao ambadik’ity resaka fanararaotana ara-nofo atao amin-jaza tao Nosy Be ity. Tsy vao izao no nisy vahiny manao fanararaotana ara-nofo ankizy tsy ampy taona tahaka izao teto amintsika, ary ny maro amin’izany dia miitatra manaraka ny firoboroboan’ny teknolojia sy ny fivoarany avokoa, toy ity tranga tao Nosy Be nigagan’ny maro ity, satria tsy vitan’ny fanararaotana mamoafady fa mbola miharo famarotana horonan-tsary an’ankizy. Izany indrindra no mahatonga ny Mpanao lalàna namorona amin’ny lalin-dalina kokoa ny lalàna mifehy ny heloka mamoafady, fa indrindra ny herisetra ara-nofo atao amin’ny zaza sy ankizy tsy ampy taona.
Stan R.



