Songadim-baovaoToekarena
ROBOTIKA “TECHFEST” 2024 – 2025: Ekipa telo no hisolo tena an’i Madagasikara mandritra ny lalao famaranana any Inde
Fifaninanana miompana amin’ny tontolon’ny Robotika sy ny hakingana ara-tsaina ny “Techfest”. Ny Sabotsy 9 Novambra lasa teo, tany Fianarantsoa, nandritra ny hetsika « Technorion » nokarakarain’ny STEM4GOOD Madagascar sy ny Techfest, no notontosaina ny fifantenana ireo hisolo tena an’i Madagasikara any amin’ny Techfest 2024-2025 izay manomboka ny 17,18,19 Desambra izao any Mumbai, Inde. Sokajy efatra no nanaovana fifaninanana, ny Cozmoclench, Meshmerize, ny CodeCode ary ny Olympiades TechFest. Tao anatin’ny sokajy Cozmoclench, mpilalao telo no nandrafitra ny vondrona, izay ahitana an’i Tsimijaly Nomena, Rakotomalala Babazhelia El Nofy Bakira ary Razanadrakotonandrasana Maminiaina. Ho an’ny sokajy Meshmerize kosa dia misy an-dRabearimananaharimino Fenonirina, Rakotoarinesa Harinomena Dolly Joël ary Ramanantokisoa Faralahy Antoine Belle. Teo amin’ny CodeCode, Ratsimanaherison Nekenaharitoavina Kevin Andryan no hisolo tena an’i Madagasikara. Tsy namoaka solotena kosa isika teo amin’ny sokajy Techfest olympiade. Izy fito mianadahy araka izany no andeha hihazo an’i Mumbai, ary hiezaka hanandratra avo izay anaran’i Madagasikara izay eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ity no andiany faha-28 amin’ny Techfest.
Raha ny votoatin’ny fifaninanana kosa dia miompana amin’ny lafiny robotika, “programmation” ary ny siansa. Ny fanamboarana “robot” afaka mihetsika, mitondra zavatra na mamindra zavatra no tanjona, izay natao hamoahana ny maha injeniera sy fahaizana mametraka paikady eo amin’ireo mpifaninana. Ho an’ny Meshmerize kosa, takina amin’ireo mpifaninana ny hakingana sy ny fahaizana mampanaraka lalana mahitsy ilay “robot”. Ho an’ny sokajy Codecode, ny kajy, fanaovana “programmation” sy famahana ireo olana manoloana izany no hatao.
Raha ny fantatra dia folo mianadahy izy ireo no hanainga hihazo an’i Mumbai ny volana desambra izao, fito mpifaninana ary telo no mpiahy. Mbola misedra olana ara-bola kosa izy ireo ankehitriny, raha ny fanazavana voaray. Dimy andro no hijanona any an-toerana ireo mpilalao. Ny mpikarakara no hiantoka ny fivahinianana mandritra ny telo andro, fa ny roa andro izay tokony ahatongavana any an-toerana kosa dia ireto farany no hiantoka izany. Ny fitaovana izay tsy maintsy homanin’izy ireo ihany koa dia ireo mpifaninana ihany koa no hiantoka izany. Manao antso avo amin’ireo malala-tanana araka izany ireto tanora ireto ho fanohanana azy ireo eo amin’izany fifaninanana ara-tsaina handraisan’i Madagasikara anjara izany.



