PolitikaSongadim-baovao

ROCADE D’IARIVO – 10 TAONA ATY AORIANA: « Isika no nanomboka, isika koa no namarana ny tetikasa”, hoy ny Filoha

Notokanana tamin'ny fomba ofisialy omaly ny lalam-baovao Rocade d'Iarivo izay mirefy 8, 2Km, manamora ny fifandraisan’ireo lalam-pirenena telo mivoaka an’Antananarivo, dia ny RN2, RN3 sy ny RN7. Fanamby lehibe ity vita ity, hoy ny Filoha Andry Rajoelina nandritra ny fitokanana. Ary ny zava-dehibe dia ny fisitrahan’ny vahoaka malagasy fotodrafitrasa mendrika sy goavana haharitra ho an’ny taranaka fara-mandimby.

Efa tamin’ny Fitondrana Tetezamita, ny taona 2011, no natao sonia ny fifanekena famatsiambola avy amin’ny AFD nanaovana ny “Rocade d’Iarivo”, ary ny taona 2012 no nanomboka ny « expropriation » ny tany izay hanaovana ny tetikasa. Ny volana Jolay, taona 2018 vao nanomboka ny asa ary 10 taona aty aoriana, izany hoe omaly Alakamisy 24 Jona 2021 no vita ary notokanana amin’ny fomba ofisialy ny Rocade d’Iarivo izay lalana hampifandray ny lalam-pirenena avy any Avaratra sy Atsimo ary Andrefana sy Atsinanana. Fotodrafitrasa natao hifanaraka amin’ny fitombon’ny mponina ihany koa ity lalam-baovao ity satria efa mihatery ny tanànan’Antananarivo, araka ny fanazavan’ny Filoha Andry Rajoelina. Tonga nitokana izany ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Asa Vaventy Hajo Andrianainarivelo ary natrehan’ny Masoivoho Frantsay sy ny solotenan’ny Vondrona Eoropeana ary ireo manampahefana isan-tsokajiny. Nankasitraka ny fahavitan’ity fotodrafitrasa ity avokoa ireo izay nandray anjara fitenenana.

« Manana ny lalana hitondrany antsika Andriamanitra. Isika no nanomboka ny asa, ary isika no namita izany. Ary ny lehibe indrindra, dia ny vahoaka malagasy rehetra no hisitraka ny fotodrafitrasa izay haharitra ho an’ny taranaka faramandimby« , hoy ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina nandritra ny fandraisam-pitenenany. Ity farany izay nilaza fa ankoatra ny Rocade Iarivo dia efa mandeha ihany koa ny asa amin’ny “Projet Train Urbain”, izay ho vitaina ao anatin’ny herintaona. Hanomboka koa ny Téléphérique.

62 Tapitrisa Euro

Tsara ho fantatra fa mahazaka fiara roa ho an’ny zotra mandroso, ary mahazaka fiara roa ho an’ny zotra miverina. Misy ny Rocade Est miainga avy eo amin’ny Boulevard Tokyo mampitohy an’Amoronakona Bypass hatreo Ambohimahitsy izay mirefy 3,8 km. Ny rocade nord est miainga eo Ambohimahitsy hatreo Andranobevava kosa, izay mirefy 3,426 Km. Eo koa ny lalana miainga avy eo amin’ny sampanana Nanisana, mivoaka eo Ankadindramamy , mirefy 0,985km. Lalana migodana manaraka ny fenitra iraisampirenena ity napetraka ity. Manana velarana 7 metatra. Ahitana fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka miisa 22, fiampitan’ny mpandeha an-tongotra miisa 12, eo koa ireo takelaka famantarana samihafa. Misy tetezana vaovao miisa roa, isan’izany ny ao Soamanandrariny izay mirefy 47 metatra, sy Ampasibe mirefy 20 metatra. Misy koa rond point miisa efatra (Amoronakona, Ambohimahitsy, Nanisana ary Andranobevava). Ny tetikasa rocaden’Iarivo dia tetikasan’ny Fitondram-panjakana malagasy sy ny Vondrona Eoropeanina, ary ny Fanjakana Frantsay. Araka ny fanazavana hatrany, mahatratra 62 Tapitrisa Euro ny tentim-bidin’ny tetikasa, izay nisy famatsiam-bola avy amin’ny Banque Européenne d’Investissement, ny Agence Française de Développement, ny vondrona Eoropeanina, ary ny Fanjakana malagasy. Fiara 48 000 isanandro no vinavinaina ampiasa azy. Hisy ny fiara fitateram-bahoaka manokana hisahana ny fitaterana amin’ireo faritra rehetra lalovan’ny lalana vaovao.

Fermer