PolitikaSongadim-baovao
ROCADEN’IARIVO HOTOKANANA RAHAMPITSO… : Ny taona 2011 no natao ny fifanekena famatsiam-bola ny tetikasa
Lalambe migodana mirefy 8,2 km miala avy eo amin’ny By Pass hatreny Andranobevava no vita ankehitriny. Tetikasa goavana izay tafiditra tao anatin’ny fanajariana ny tanànan’Antananarivo, ho famahana olana amin’ny fitombon’ny mponina sy ny fiitaran’ny tanàna ary ny hamaroan’ny fiarakodia. Araka ny lamina dia rahampitso Alakamisy 24 jona 2021 no hotokanana ity lalana vaovao ity.
Mbola mampifanolan-kevitra eo amin’ny samy mpanao politika ny nanatanterahana ity rocaden’Iarivo ity ankehitriny. Misy ireo milaza fa efa tamin’ny andron’ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana izany no niainga. Voalaza koa anefa fa tamin’ny Fitondran’ny Filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina no nanaovana azy. Ary mbola resahina koa ankehitriny fa ny Fitondrana amin’izao fotoana izao no angady nananana sy vy nahitana ity tetikasa goavana ity. Araka ny fanazavan’ny Tale Jeneralin’ny Fanajariana ny Tany sy ny Fampitaovana, Andriamatoa Rabe Harimanana, dia ny taona 2007 ny “etude de faisabilité” no natao. Nomarihiny fa tsy vitan’ny an-kamehana ny tetikasa toy izao. Satria na ny lafiny teknika na ny lafiny sosialy dia tsy maintsy jerena manontolo. Ny mpamatsy vola dia mitaky ny mahakasika ny fiantohana ireo olona voakasiky ny tetikasa ka tsy maintsy afindra toerana. Noho izany, nolazainy fa araka ny tokony ho izy ihany ny fe-potoana nahatontosana ny tetikasa satria ankoatra ny pitsopitsony ara-teknika, dia nisy fiantraikany koa ny toe-javamisy lalovan’ny Firenena.
Ny taona 2017 no vita tanteraka ny fandrafetana ny tetikasa sy ny pitsopitsony rehetra. Ny taona 2018 kosa no nanomboka tamin’ny fomba ofisialy ny asa. Niitatra ny fe-potoana nanatanterahana ny asa rehetra noho ny Hameha ara-pahasalamana izay tsy nahafahana niasa.
Namita ny 75%-n’ny asa ny Fanjakana ankehitriny
Araka ny fanazavan’ny Depiote Lanto Rakotomanga, izay nanao fijoroana vavolombelona mahakasika ity tetikasa ity, dia tamin’ny fotoan’ny tetezamita no nanomboka ny “etude” voalohany natao momba ny rocaden’Iarivo. Tamin’izany fotoana ihany koa no namaritana ny toerana rehetra hisian’ny lalana. Mbola tao anatin’ny tetezamita koa no nijerena ny mpamatsy vola izay niarahana tamin’ny AFD. Ary nandritra izany koa no nanaovana ny fifanekena famatsiam-bola ny tetikasa. Tamin’ny 2012 kosa no noraisina ny didim-panjakana mahakasika ny “expropriation”. Ny Fitondrana teo aloha no nanomboka ny fotodrafitrasa mahakasika ny tetikasa. Kanefa, ny 25%-n’ny asa ihany no vita nandritra ny fe-potoam-piasan’ny Fitondrana teo aloha. Nandritra ny Fitondrana ankehitriny kosa no nahavitan’izany tamin’ny antsakany sy andavany, izany hoe, ny 75%. Ekena fa misy ny fifandimbiasam-pahefana fa saingy ny Fitondrana mijoro ankehitriny no nanao ny “etude” voalohany, hoy hatrany ny fanazavana.
Manamora ny fifandraisan’ny lalam-pirenena faharoa, fahatelo, ary fahafito ny fisian’ny Rocaden’Iarivo. Ity farany izay lalana mirefy 8,2 km ahitana lalambe mikodana. Mahazaka fiara roa ho an’ny zotra mandroso, ary mahazaka fiara roa ho an’ny zotra miverina. Misy ny Rocade Est miainga avy eo amin’ny Boulevard Tokyo mampitohy an’Amoronakona Bypass hatreo Ambohimahitsy izay mirefy 3,8 km. Ny rocade nord est miainga eo Ambohimahitsy hatreo Andranobevava kosa, izay mirefy 3,426 Km. Eo koa ny lalana miainga avy eo amin’ny sampanana Nanisana, mivoaka eo Ankadindramamy , mirefy 0,985km. Lalana mikodana manaraka ny fenitra iraisampirenena ity napetraka ity. Manana velarana 7 metatra. Ahitana fiantsonan’ny fiara fitateram-bahoaka miisa 22, fiampitan’ny mpandeha an-tongotra miisa 12, eo koa ireo takelaka famantarana samihafa. Misy tetezana vaovao miisa roa, isan’izany ny ao Soamanandrariny izay mirefy 47 metatra, sy Ampasibe mirefy 20 metatra. Misy koa rond point miisa efatra (Amoronakona, Ambohimahitsy, Nanisana ary Andranobevava). Ny tetikasa rocaden’Iarivo dia tetikasan’ny Fitondram-panjakana malagasy sy ny Vondrona Eoropeanina, ary ny Fanjakana Frantsay. Ny famatsiam-bola kosa dia avy amin’ny Banque Européenne d’Investissement, ny Agence Française de Développement, ny vondrona Eoropeanina, ary ny Fanjakana malagasy. Fiara 48 000 isanandro no vinavinaina ampiasa azy.
Ny Fanoratana.




