Trangam-piaraha-monina
RONGONY MAHERY VAIKA « SKUNK » 10KG TRATRA: Teratany maorisianina telo sy Malagasy iray voasambotry ny Zandary
Rongony « skunk » 10 kg saron’ny zandary nentina lehilahy iray avy any Toamasina. Tamin’ny fanadihadiana sy famotorana natao taminy, nanoro ny namany izy, ka olona efatra no voasaringotra, izay Malagasy ny iray ary teratany maorisianina ny telo. Hiakatra fampanoavana tsy ho ela any Toamasina ny raharaha aorian’ny famotorana ireo voasambotra…
Ady goavana ny famongorana fivarotana zava-mahadomelina mahery vaika eto amintsika. Nahitam-bokany ny hetsika nataon’ny teo anivon’ny Sampam-pikarohana heloka bevava eny Fiadanana, ka rongony mahery vaika antsoina hoe « Skunk » milanja 10 kilao no sarona tamin’ny olona efatra, izay nahitana teratany maorisianina telo ary Malagasy ny iray. Araka ny fanazavana voaray, dia ny 15 mey lasa teo, taorian’ny angom-baovao tamin’ny olona tsara sitrapo no nahafantarana fa misy lehilahy iray miakatra ho aty Antananarivo mitondra zava-mahadomelina mahery vaika. Rehefa natao ny fitsirihana ifotony, dia tratra teny an-dalana ny lehilahy iray miaraka ny fiarany, ary mahafantatra ny fisian’ireo zava-mahadomelina ireo, raha ny fanazavan’ny Tale Misahana ny fikarohana ny fandikan-keloka eo anivon’ny Fibaikoana ny zandarimaria, Jeneraly Mbina Nonos, omaly. Rongony mahery vaika na “drogue dure” avy any Toamasina, Faritra atsinanana izy io. Teny an-dalana izy no nosakanana ary dia nentina niverina tany Toamasina indray avy eo.
Tamin’ny fanadihadiana sy famotorana natao taminy, nanoro ny namany izy, ka olona efatra no voasaringotra sy tra-tehaka. Malagasy ny iray ary teratany maorisianina ny telo. Tiana ny manamarika fa ny « ronny skunk » dia anisan’ny zava-mahadomelina tsy misy eto Madagasikara fa ambolena amin’ny toerana manokana, ary namboarina hihamafimafy kokoa, hoy ny fanampim-panazavana. Heverina, araka izany, fa havoaka an’i Madagasikara io rongony mahery vaika io, amin’ny alalan’ny sambo. Andrasana ny mety ho tohin’ny raharaha. Aorian’ny fanadihadiana, dia azo antoka fa hiakatra fampanoavana tsy ho ela any Toamasina ity fitondrana zava-mahadomelina mahery vaika, tsy fahita firy ity, izay manimba tanora.
Rado Harivelo




