Songadim-baovao

ROTIKY NY BALA NY FIARAN’NY ZANDARY : Lavo voatifitra i Djafar mpaka an-keriny, Zandary iray maratra

Lavo vokatry ny tifitry ny namany nanao fanafihana i Djafar, ikoizana amin’ny resaka fakàna an-keriny, ny zoma alina, rehefa andeha ho aterina teny Tsiafahy. Rotiky ny bala ny fiaran’ny zandarimaria, raha Zandary iray naratra voatifitra teo amin’ny tanany, izay voatery tsy maintsy nodidina. Mitohy ny fanadihadiana sy fikarohana ireo olon-dratsy nitifitra…

Ireo bala sy basy sarona tany amin’ny naman’i Djafar.

Tratran’ny tsy nampoizina! Lavo i Djafar karana jiolahy raindahiny mpaka an-keriny, rotiky ny bala ny fiaran’ny Zandarimaria iray. Ireo no vokatry ny fanafihan’ny naman’i Djafar teny amin’ny lalana ho eny Tsiafahy, ny alin’ny zoma lasa teo. Araka ny angom-baovao voaray teo anivon’ny Sampana mpikaroka heloka bevava Zandarimaria etsy Fiadanana (SRC), avy amin’ny olona tsara sitrapo, nikasa hanatanteraka asan-jiolahy goavana i Djaffar sy ny namany, raha fantatra fa ho tapitra tsy ho ela ny saziny eny Tsiafahy, noho ny trangana fakàna an-keriny tany aloha. Noho izany,  nandalo famotorana lalina teo anivon’ny  Sampana mpikaroka heloka bevava Zandarimaria, tetsy Fiadanana ny tenany, ny andron’ny 7 avrily ary naborany avokoa ny ambaindain’ny fikononkononan-dratsy, hataon’izy ireo, araka ny fanazavan’ny Kly Tahina Ravelomanana, Lehiben’ny Sampana fikarohana heloka bevava Zandarimaria. Notsirihina ny tranon’ny namany iray teny Ankadiefajoro, izay efa maty sy an’ireo namany. Vokany, basy maherivaika miisa telo, izay nahitana  kalach miisa roa, sy  PA roa, ary bala maro no sarona. Rehefa vita ny famotorana, naverina eny Tsiafahy izy, kanefa teny an-dalana nanaovan’ireo namany sakana vela-pandrika ny fiaran’ny Sampana mpikaroka heloka bevava, izay nisy an’i Djafar sy ireo zandary.

Tifitra variraraka…

Rotiky ny bala ny fiaran’ny zandary.

Jiolahy sahabo ho efatra, araka izany, no nitondra môtô “scooter” nanafika. Tifitra variraraka no nataon’ireo jiolahy, tamin’ilay fiara. “Intelo nitifitra ny fiara ireo mpanafika. Voan’ny bala  teo amin’ny sandriny ny zandary mpamily, raha voatifitr’ireo namany tandrify ny lohany tsy nahy kosa, i Djafar ka lavo avy hatrany. Namaly tifitra ireo zandary sady nanenjika ka nianjera ilay môtôn’ireo jiolahy. Vaky nirifatra nilefa ireto farany ary dify tao anaty haizina. Basy poleta iray no hita teo amin’ny nianjerany. Nentina namonjy hopitaly haingana ilay zandary naratra, ka efa manaraka fitsaboana sahaza sy efa nandalo fandidiana, araka ny nambaran’ny Kly Tahina Ravelomanana, Lehiben’ny Sampana fikarohana heloka bevava Zandarimaria. Mitohy ny hazalambo ireo jiolahy nilefa, sy izay rehetra nitsikombakomba. Tsy mijanona hatreo koa ny famotorana lalina ireo sakaizany miisa telo,  izay mahafantatra tsara ny fikasan’i Djafar sy ireo namany, izay efa ety ivelany, hanao fakàna an-keriny. Ilaina hatrany, ny Tagnamaron’ny fandriampahalemana, indrindra ny fifampitam-baovao avy amin’ny olom-pirenena hampitaina amin’ireo Zandarimaria mahakasika ity raharaha ity, izay  tsiambaratelo hatrany ny loharanom-baovao.

Fermer