KolontsainaSongadim-baovao
ROVAN’ANTSAHADINTA: Hanampy amin’ny fanarenana ny tranon-dRabodozafimanjaka may ny Fanjakana
Nisy fahamaizana teny amin’ny faritry ny Rovan’Antsahadinta, kaominina ambanivohitra Androhibe, ny alin’ny 01 novambra teo, nanomboka tamin’ny 08 ora sy 20 minitra alina. Nisy avy hatrany ny fanairana ny fokonolona nataon’ny tompon’andraikitra tao amin’ny komitim-pokontany Ambohibary izay misy ny Rova ka natao tagnamaro ny famonoana ny afo. Tamin’ny 9 ora sy 5 minitra alina no maty tanteraka ny afo. Marihina fa ny tranon-dRabodozafimanjaka akaikin’ny Rova no may tanteraka, tsy voakitiky ny afo kosa ny Rovan’Antsahadinta. Noho ity tranga ity, tonga nijery ny zava-nisy teny an-toerana ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Ntsay Christian io alina io ihany. Nampahery ny vahoaka sy ny taranak’i Rabodozafimanjaka teny an-toerana ny tenany. Nanapa-kevitra avy hatrany ny Fitondram-panjakana amin’ny hanamafisana ny fiambenana ny Rova, ary ny hanampiana ny fikambanan’ny fianakaviana amin’ny asa fanarenana an’ity toerana manan-tantara ao amin’ny Rovan’Antsahadinta ity. Nambaran’ny Praiministra ihany koa fa ho hafainganina ny asa famatsiana herinaratra sy rano fisotro madio ho an’ny kaominina Androhibe Antsahadinta ka hisitraka an’izany koa ny Rova.
Niara-dia tamin’ny Lehiben’ny Governemanta teny an-toerana ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina Johary Andriamahery Ralaimazava, ny solombavambahoakan’Antananarivo Atsimondrano, Andry Ratsivahiny, ary ny ben’ny tanànan’Androhibe Antsahadinta.
Tsiahivina hatrany fa ny tranokotona (tranohazo) nitoeran-dRabodozafimanjaka, iray tamin’ny vadin’Andrianampoinimerina napetrany tamin’ny tendrombohitra masina 12 ity may ity. Tsy ny singa rehetra ao anatin’ny Rova manontolo, araka izany, no voakasika fa mbola ao avokoa ny trano maromaro, toy ny Mozea, ny fasana ary ny kianja. Tsara ho fantatra fa Rovan’Antsahadinta dia voasokajy ho harembakom-pirenena na « Patrimoine national » na dia tsy ny Minisitera misahana ny Kolontsaina aza no mitantana azy fa ny Fikambanan’ny taranaka efa hatramin’izay ka hatramin’izao.




