KolontsainaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
ROVAN’I MADAGASIKARA : Voafehy ny firehetana tamin’ireo hazo manodidina, hamafisina ny fiarovana
Nahitana tranga firehetana hazo teny amin’ny manodidina ny Rovan’i Madagasikara ny harivan’ny Alakamisy 31 Oktobra 2024 tany amin’ny 6 ora tany ho any, teo ambanimbanin’ny Kianja Masoandro. Nandray andraikitra avy hatrany ireo rehetra voakasika ka voafehin’ny mpamonjy voina haingana ny afo ka tsy niampita tamin’ireo trano manodidina sy ny Rovan’i Madagasikara, araka ny fampitam-baovaon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Tonga teny koa ireo tompon’andraikitra maro isan-karazany niara-nifanolo-tanana sy nivory mahakasika ny fanamafisana ny fiarovana ny Rova, rehefa maty ny afo. Ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina notarihin’Atoa Sekretera Jeneralin’ny Minisitera, ny Talen’ny Ofisin’ny Rovan’i Madagasikara, ny Mpandrindra ny BAP, ny teo anivon’ny FDS Atoa Lehiben’ny Etamazaorin’ny Tafika, Atoa Komandin’ny Zandarimaria, Atoa Tale Jeneralin’ny Polisy; ny teo anivon’ny CUA sy ny mpamonjy voina ary ny fokontany. Tsy fantatra ny nihavian’ny afo hatreto fa efa nanomboka alina ny fanadihadiana rehetra. Notapahina niaraka teny ny hanamafisana ny fiarovana amin’ny lafiny rehetra ny manodidina ny Rovan’i Madagasikara, mba tsy hampiasan’olona ny fanapotehina ny harembakoka fananana iombonana amin’ny resaka hafa.
Ankoatra izay, araka ny toromarika nomen’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nohamafisina avokoa ny fiarovana ireo Rova sy harembakoka hafa.




