Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
SAIKA MATIN’NY FITSARAM-BAHOAKA: Lehilahy iray nandoro ny vadiny tamin’ny lasantsy
Trangam-piarahamonina iray saika nitarika tany amin’ny fitsaram-bahoaka no niseho tao amin’ny Village touristique Mahajanag, ny misasak’alin’ny alatsinainy lasa teo. Lehilahy iray no nandoro velona ny vadiny tamin’ny lasantsy, raha ny fantatra tamin’izany. Naharay antso mikasika io tranga fikasana hamono vady tamin’ny fomba feno habibiana io ny Polisy miasa any an-toerana. Teo alohan’izay dia fantatra, fa nisy disadisa teo amin’izy mivady ireto, ka nodoran’ity lehilahy tamin’ny lasantsy ilay vehivavy. Hitan’ny fokonolona io tranga io ka ireto farany no namonjy faingana ilay ramatoa. Tao anatin’izany anefa, no efa nisy tamin’ireto farany nidaroka ilay lehilahy nahavanon-doza. Avotry ny fokonolona ihany anefa, ity renim-pianakaviana. Nisy tamin’ireo fokonolona no niantso avy hatrany ny Polisy, ka nahatonga ara-potoana ireto farany mba hamonjy sy handamina io tranga io, raha tsy izay matin’ny fitsaram-bahoaka ny anao lahy. Nentina tany amin’ny hopitaly faingana ilay vehivavy mba hahazo fitsaboana sahaza, ary tsy misy ahina ny ainy. Ilay lehilahy nahavanon-doza kosa, nentina natao famotorana tany amin’ny biraon’ny Polisy atao andrimaso. Hatolotra ny fampanoavana ny raharaha.
Nangonin’i Stan R.




