PolitikaSongadim-baovao

SAKAFO SIMBA NITARIKA ARETINA TAO MAHAJANGA: Mandiso ireo tsaho iniana aely ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana

Tsy mitombina ny filazana fa giazan’ny fanjakana ny fahafahan’ny hotely manohy ny asany amin’ny maha hotely fandraisam-bahiny azy. Tokony hitsahatra hatreo ihany koa ny fivoizana anaty fankahalana toy ny amin’ny trangan’aretina nisy vokatry ny fahasimbana sakafo niseho tany Mahajanga, fa indrindra ny fanapahan-kevitra mikasika io tranga io, izay heverina fa fanapahan-kevitra noraisina mba ho tombontsoan’ny mpanjifa. Io no nambaran’ny Loholona Rakotondrazafy Lalatiana Henriette, izay naneho ny heviny mikasika iny tranga nahatratra tompon’andraiki-panjakana am-polony tao Mahajanga, nandritra ny fanamarihana ny andron’ny 08 marsa tany an-toerana iny. Araka izany, mazava ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Fitondram-panjakana mikasika ny hotely Coco Beach ao an-toerana, fa “tsy amin’ny maha hotely fandraisam-bahiny azy iray manontolo no nakatona, fa ny fampisakafoanana (service de restauration) ao aminy”. Marihina moa, fa ankoatra ireo tompon’andraiki-panjakana maromaro tratran’ity aretina vokatry ny fahasimbana sakafo ity, dia anisany tratran’izany koa ny Filohan’ny Repoblika. Raha hiverenana moa, dia nanokatra fanadihadiana ny tompon’andraikitra mikasika ity tranga tany Mahajanga ity, ka fantatra tamin’izany, fa vokatry ny fiakaran’ny hafanana tany an-toerana no nampivadika ny sakafo naroso ireto vahiny. Nandefa fialan-tsiny tao anatin’izany ity hotely malaza iray ao an-toerana ity, saingy tsy nihanona tamin’izany ny zava-nisy fa nitohy tamin’io fanadihadiana io mba ho fitandroana ny fahasalaman’ny mpanjifa.

Tena nisy ny narary…

Marihina, fa ankoatr’ireo narary tany amin’ny hopitaly dia nisy koa ireo narary nanaraka fitsaboana tany an-tokantranony. Ho an’ireo marary tany amin’ny toeram-pitsaboana, tao amin’ny « Espace médicale » Mahajanga dia maherin’ny 20, raha am-polony ny tao amin’ny hopitaly manara-penitra Mahavoky Mahajanga. Nomarihan’ny Loholona Rakotondrazafy, araka izany, fa “tsy misy hotely eto ambony tany hanao fanahy iniana hamparary olona amin’ny sakafo arosony, izay mandiso ny filazana ao an-tambazotran-tserasera fa niniana natao na zavatra noforonina iny tranga iny”. Aminy, dia midika fanaovana tsinontsinona sy fanompana ny fanelezana tsaho tahaka izany, ary faharatsian-tsaina mihitsy. Manameloka ireo minia manely tsaho mikasika ity tranga ity, araka izany, io Loholona io, izay nilaza hatrany fa adidin’ny Fitondram-panjakana ny mandray fepetra amina tranga goavana tahaka ireny, fa tsy araka ny voizin’ny sasany hoe « tranga noforonina na niniana natao mba hanakatonana ny hotely Coco Beach, izay nikatsahana tombontsoan’olon-tokana, araka ny fiheveran’ny sasany hatrany.

Stan R.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer