PolitikaSongadim-baovao
« SALON NATIONAL DES SPORTS 2025 »: Hatao ny 28 – 29 – 30 Jona izao ny andiany voalohany
Raha toa ka efa manao azy ity ny firenena maro manerantany dia sambany kosa i Madagasikara no hikarakara ny “Salon national des Sports”, izay hetsika nasionaly ho an’ny fanatanjahantena, haharitra hateloana, manomboka ny 28 ka hatramin’ny 30 Jona 2025 izao. Tafiditra indrindra ihany koa ao anatin’ny fanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny fanatanjahantena izao hetsika izao.
Hetsika maro no hiseho mandritra ny telo andro raha fanazavan’ny Mpikarakara izay ahitana ny avy amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny NC Agency, ary ny Mpanohana Yas Madagascar. Maherin‘ny 80 ireo tranoheva hisy mandritra ny hetsika, izay hahitana ireo federasiona maro misy eto amintsika eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena, eo koa ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny sakafo ilaina amin’ny fanatanjahantena. Ankoatra izay, hisy koa fampisehoana ataon’ireo fiara sy kodiaran-droa anatin’ny “sport mécanique” ary fanentanana ny tanora hiditra amin’ireo taranja ara-panatanjahantena marolafy. Etsy ankilany, hisy ny famelabelaran-kevitra vitsivitsy mandritra ny hetsika izay miompana amin’ny fanentanana ny tanora ho tia fanatanjahantena, sy fanabeazana ara-pananahana. Ny andron’ny 29 Jona manokana dia hisy ilay hazakazaka miainga avy eo Ankorondrano hatrany amin’ny Kianjan’ny Barea, izay hanamarihana ny andro iraisampirenena ho an’ny Fanatanjahantena. Raha ny fanazavan’ny mpikarakara dia efa maherin’ny 4 000 no nisoratra anarana tamin’ity hazakazaka ity.
Tsara tsindriana fa manohana ity hetsika ity ny Yas Madagascar izay mpanohana voalohany ny sehatry ny fanatanjahantena eto Madagasikara, ary miara-miasa amin’ny federasiona maro.
Randriah.



