SamihafaSongadim-baovaoSosialy
SAMBAVA: Distrika voalohany nisitraka ny CVO+
Nisongadina teo anatrehan’ireo firenen-drehetra niatrika ny valanaretina Covid-19 I Madagasikara, noho ny fahazoana ireo voka-pikarohana samihafa nentina nitsaboana ny Coronavirus. Isany voalohany tamin’izany ny Tambavy Covid-Organics (CVO). Ankoatra io, hivoaka amin’ity herinandro ity ihany koa ny CVO+ izay miendrika “Gelule”. Saingy nisantatra izany voalohany kosa ny Distrikan’I Sambava, izay notsidihan’ny Filoha omaly.
Taorian’i Vohémar, ny renivohitry ny Faritra Sava indray no notsidihan’ny Filoham-pirenena mivady ny tontolo andron’ny omaly. Fotoana izay nitondrany fankaherezana sy nanomezany fandrisika ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana tao amin’ny Hopitaly Be Besopaka. Etsy ankilany, nanolotra fiara tsy mataho-dalana ho an’ny hopitaly ny Filoha. Fiara vaovao sy ahitana ireo fitaovana manarapenitra hahafahana mamonjy aina haingana ireo natolotra ireo. “Tsy tokony hisy intsony ireo olona mararin’ny covid-19 ho sempotra ka hitarika amin’ny fahafatesana ao Sambava”, hoy ny Filoha. Natolotra ny hopitaly be koa, araka izany, ireo “extracteur d’oxygène” miisa 50 handraisana ireo marary manana fahasarotana. Ankoatra izay, teo amin’ny sehatry ny fitsaboana ny Covid-19 hatrany dia fantatra omaly koa, fa ny distrikan’i Sambava no voalohany nisitraka ny « Gelule CVO + ». “Nanampy tamin’ny fifehezana ny aretina covid-19 sy ny fisorohana ny fahatesana maro be ny fampiasana ny tambavy covid organics”, hoy ny Filoha. Antony nanaovana fikarohana lalina, nahafahana namoaka ny Cvo +, araka ny fampanantenaina. Ho mora atelina sy hampiasaina kokoa ny Cvo+ mitaha amin’ny tambavy covid- organics ka antony famoronana azy, hoy ny fanazavana.
Havoaka ofisialy amin’ny herinandro
Marihana fa ho tanterahina ny herinandro ho avy izao ny famoahana amin’ny fomba ofisialy ny Cvo+, saingy efa nahazo tombony nisitraka izany kosa ny tao Sambava. Nilaza ny Filoha fa efa ho roa volana izay no namolavolana farany ity fanafody ity, tamin’ny alalan’ny ozinina Pharmalagasy. Reharehan’ny Malagasy ny fahazoana izany, ary antenaina hanampy betsaka amin’ny fanafoanana valanaretina eto amintsika. Ankoatra izay, nahazo fanafody hafa ilaina amin’ny fitsaboana ny Covid-19 ihany koa ny Hopitaly Be nanampy ireo fanafody maro be efa nalefan’ny Filoha tamin’ny fiaramanidina intelo miatoana izao.




