Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

SAMBO RENDRIKA TAO SOANIERANA IVONGO: Mpandeha 20 no hita faty, 60 no velona, anjatony mbola karohina

20 hita faty, 60 ireo hita velona tamin'ireo mpandeha miisa 230 nandeha lakana, omaly, niala tao Mananara Avaratra ho any Soanierana Ivongo ka rendrika teo anelanelan'Antsiraka sy Andrangazaha, araka ny fampitam-baovao azonay avy any an-toerana, omaly tokony ho tamin’ny 4ora sy sasany tolakandro. Mbola karohina ireo ambiny, ary mitohy ny fanadihadiana ataon’ireo tomponandraikitra any an-toerana.

Nitrangana loza an-dranomasina ny tao amin’ny fari-dranomasin’i Soanierana-Ivongo ny marainan’ny omaly Alatsinainy 20 desambra 2021 tokony ho tamin’ny 9 ora. Lakana antsoina hoe M/ S Francia izay nitondra olona avy tao amin’ny Kaominina Antanambe Distrikan’i Mananara-Avaratra hihazo an’i Soanierana-Ivongo ity dobo ity. Teo anelanelan’Antsiraka sy Andrangazaha izay samy ao Soanierana-Ivongo no nitrangan’ny loza.

Araka ny loharanom-baovao, maty motera nefa efa nisy loaka ilay lakana ka fotoana vitsy monja dia dibo-drano tanteraka ka izao nitera-doza izao. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa olona manodidina ny 230 no tao anatiny. Olona avy nitady vola nandritra ny taom-piotazana jirofo 2021 tao Mananara-Avaratra ary handeha hamonjy fodiana ireo mpandeha tao anatiny ireo. Misy avy any Vavatenina, Toliara, ary Antananarivo. Hatramin’ny fotoana nanoratanay ny lahatsoratra, tamin’ny 4ora sy sasany tolakandron’ny omaly,  dia tafakatra 20 ireo faty efa hita, miisa 60 kosa ireo hita velon’aina soamantsara. Anjatony arak’izany ireo mbola karohina. Fantatra ihany koa fa lakana tsy natao ho fitateran’olona ity lakana ity, fa natao ho fitaterana entana ihany. Saingy betsaka ny filana amin’ny fitaterana olona avy nanao jirofo amin’izao ankatoky ny fety izao, dia tafaroboka nitondra olona maro ity sambo ity. Araka ny fampitam-baovao hatrany, tsy maharaka ireo sambo mpitatitra olona ka maharay fiangaviana maro avy amin’ny mpandeha ireo tompon-dakana. Ny toetrandro rahateo tsara ka tsy nanana ahiahy.

Hatreto, mbola mitohy ny fanadihadiana mahakasika ity loza an-dranomasina ity. Tsy mbola nisy ihany koa hatramin’ny ora nanoratanay omaly fampitam-baovao ofisialy avy amin’ny APMF sy ny Mpitandro Filaminana. Ny loharanom-baovao hafa kosa no nahalalana fa tsy nahazo alalana avy amin’ny APMF ity sambo nitondra olona anjatony ity.

Fermer