Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
SAMBO RENDRIKA TAO SOANIERANA IVONGO: Tafakatra 90 ny namoy ny ainy, misaona ny firenena
Taorian’ny fahitana ireo razana miisa 49 tany amin’ny manodidina an’I Sainte Marie, dia tafakatra 90 hatramin’ny ora nanoratanay omaly ny fitambaran’ireo olona namoy ny ainy vokatry ny lozam-pifamoivoizana an-dranomasina niseho tany Soanierana Ivongo, ny alatsinainy 20 Desambra 2021 lasa teo. Eo anatrehan’ity voina ity, nisy ny didim-panjakana noraisin’ny Filoham-pirenena izay mametraka ny andro anio ho fisaonam-pirenena.
Mbola vaovao mitana ny sain’ny rehetra efa ho telo andro izay ny mahakasika ilay lozam-pifamoivoizana an-dranomasina niseho tany Soanierana Ivongo ny marainan’ny Alatsinainy teo. Hatramin’ny omaly hariva, tafakatra 90 ny tontalin’ireo olona hita faty hatreto. Ny 41 tami’ireo dia hita tao Soanierana Ivongo hatramin’ny alatsinainy nitrangan’ny loza, 49 kosa ireo razana hita tany amin’ny manodidina an’i Sainte Marie hatramin’ny omaly hariva. Efa saika simba avokoa ireo razana ireo nandritra izay telo andro naha tany anaty ranomasina azy ireo izay, araka ny tatitra. Nisy, araka izany, ny fanapahan-kevitry ny tomponandraikitra isan-tsokajiny any Sainte Marie ny hanitrihana any amin’ny toerana hahafahana manao izany an’ireo razana hita ireo. Nisy anefa avy eo fifampidinihana tamin’ny fianakavian’ireo maty. Ireto farany izay nangataka ny handefasana ny razana any Soanierana Ivongo. Araka izany, tapaka fa nangonina ary nofonosina ny razana vao hatsaka ho any Soanierana Ivongo, araka ny fampitam-baovao nomen’ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo, ny Dokotera Randriamanantena Marcellin. Tombanana ho tamin’ny 2 ora maraina tany ho any, araka izany, ny fiaingan’ireo razana ao Sainte Marie hihazo an’i Soanierana Ivongo izay andraisan’ny fianakaviana ny havany.
Ny Alatsinainy teo no diboka ny sambo
Raha tsiahivina, ny alatsinainy teo no niseho ny loza. Lakana antsoina hoe M/ S Francia izay nitondra olona avy tao amin’ny Kaominina Antanambe Distrikan’i Mananara-Avaratra hihazo an’i Soanierana-Ivongo ity dobo ity. Teo anelanelan’Antsiraka sy Andrangazaha izay samy ao Soanierana-Ivongo no nitrangan’ny loza. Araka ny loharanom-baovao, maty motera nefa efa nisy loaka ilay lakana ka fotoana vitsy monja dia dibo-drano tanteraka ka izao nitera-doza izao. Ny angom-baovao hatrany no nahalalana fa olona manodidina ny 230 no tao anatiny. Olona avy nitady vola nandritra ny taom-piotazana jirofo 2021 tao Mananara-Avaratra ary handeha hamonjy fodiana ireo mpandeha tao anatiny ireo. Misy avy any Vavatenina, Toliara, ary Antananarivo. Fantatra ihany koa fa lakana tsy natao ho fitateran’olona ity lakana ity, fa natao ho fitaterana entana ihany. Saingy betsaka ny filana amin’ny fitaterana olona avy nanao jirofo amin’izao ankatoky ny fety izao, dia tafaroboka nitondra olona maro ity sambo ity. Araka ny fampitam-baovao hatrany, tsy maharaka ireo sambo mpitatitra olona ka maharay fiangaviana maro avy amin’ny mpandeha ireo tompon-dakana. Ny toetrandro rahateo tsara ka tsy nanana ahiahy.
Nisy ny Didim-panjakana laharana faha 2021-1462 navoakan’ny Fiadidiana ny Repoblika izay manambara fa ny alakamisy 23 desambra 2021 dia andro fisaonam-pirenena eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ho fahatsiarovana ireo mpiray tanindrazana namoy ny ainy nandeha tamin’ilay sambo « Francia » rendrika tao Soanierana Ivongo. Tsara ho fantatra fa ny fanapahan-kevitra hanaovana fisaonam-pirenena dia raisina aorian’ny tranga na loza mihatra amin’ny Firenena na amin’ny mpiray Tanindrazana. Ny Filoham-pirenena no mandray ny didim-panjakana mikasika izany ary mamaritra ny fe-potoana hanaovana izany, izay mety ho 1 andro hatramin’ny 1 volana arakaraka ilay tranga. Fanapahan-kevitra ara-politika ny fanaovana fisaonam-pirenena ary tsy misy lalàna manokana mamaritra izay tokony atao rehetra mandritra izany fisaonana izany. Mandritry izany dia tsy maintsy ahemotra amin’ny fotoana hafa avokoa ireo fety aman-danonana Miato araka izany ireo lanonana toy ny fampisehoana. Voarara ihany koa ny fivarotana ireo zava-pisotro misy alikaola. Mandritry ny fisaonam-pirenena, dia raisina ireto fepetra manaraka ireto: Misaona ny sainam-pirenena manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara, voarara ireo fiaraha-milanonana ary mikatona ny fivarotana zava-pisotro. Mitohy toy ny mahazatra ny fiainana andavanandro ao anatin’ny fiombonan’alahelo amin’ireo mpiray tanindrazana niharam-boina ka namoy ny ainy.




