Songadim-baovao

SAROBARATRA ITASY : Dahalo ampolony nanafika, mpanara-dia iray lavo

Nitrangana halatr’omby tao amin’ny fokontany Sanganoro, kaominina Sarobaratra Ifanja, distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy, ny zoma lasa teo. Raikitra ny fifanjevoana tamin’ireo dahalo, ka mpanara-dia iray avy amin’ny fokonolona no lavon’izy ireo. Mandeha ny hazalambo ireo olon-dratsy tanterahin’ny Zandarimaria…

Tafaverina amin’ny tompony ireo omby norobain’ny dahalo.

Nisehoana trangana halatr’omby miisa 12 nataon’andian-dahalo ampolony mitam-basy, ny alin’ny zoma 8 janoary lasa teo, tokony ho tamin’ny 9 ora alina teo ho eo, tao amin’ny fokontany Sanganoro, kaominina Sarobaratra Ifanja distrikan’i Miarinarivo, Faritra Itasy. Nihetsika avy hatrany ny zandary tao an-toerana nanao ny fanarahan-dia niaraka tamin’ny fokonolona, ka nihazo niakandrefana ny dian’omby. Nomena baiko koa ny zandary miasa amin’ny manodidina, mba hiandry ny kizo rehetra. Tao anatin’ny fanarahan-dia anefa,  nizara roa ny mpanara-dia satria nizara ireo dahalo, ny sasany nitondra ny omby. Tonga teo amin’ny kizo atao hoe Maroanana fokontany Sanganoro, no raikitra avy hatrany ny fifanjevoana teo amin’ireo dahalo sy ireo mpanara-dia.

Fantatra fa nitifitra ireo dahalo ka lavo tamin’izany ny mpanara-dia iray antsoina hoe « Jean de la Croix », 23 taona. Mafy dia mafy ny fifanjevoana tamin’ny roa tonta satria nahatratra telo ireo mpanara-dia telo  naratra. Nentina avy hatrany namonjy dokotera ireo naratra,  izay efa nahazo fitsaboana ka tsy misy ahina ny ainy. Tsy nihemotra ireo zandary sy ny fokonolona ka azo daholo ny omby tao amin’ny kizon’i Maroanana. Ireo dahalo kosa, nararaotra ny haizina ka vaky nandositra. Tsapa fa manomboka mahery vaika ny asan-dahalo any amin’ny faritra ka mila firaisan-kina avy amin’ny vahoaka. Mbola manao hazalambo ireo dahalo nanao fanafihana ny zandary sy ny fokonolona sasany. Isaorana hatrany ireo fokonolona nanampy tamin’ny fahazoana ny omby. Ankasitrahana feno ny fiaraha-miasa eo amin’ny Zandarimaria sy ny vahoaka.

Fermer