PolitikaSongadim-baovao
SATA MIFEHY NY MPANOHITRA: Fametrahana ny fanoherana ao anatin’ny ara-dalàna
Namoaka ny fanapahana manoloana ilay lalàna mamaritra ny satan’ny fanoherana eto Madagasikara ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny faran’ny herinandro teo. Nivoitra tao anatin’izany ny fankatoavana ny tsy maintsy maha Solombavambahoaka ny filohan’ny mpanohitra. Fanapahana izay nambaran’ny Depiote Fetra Rakotondrasoa fa hanatsara ny lalao politika hisy eto amintsika, ary fametrahana ny fanoherana ao anatin’ny ara-dalàna.
Nahazo ny fankatoavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny faran’ny herinandro lasa teo ny Tolo-dalàna laharana 2021-006 mahakasika ny Sata mifehy ny mpanohitra avy amin’ny Solombavambahoaka Jean Brunel Razafitsiandraofa. Tolo-dalàna izay vao nolanian’ny teny amin’ny Antenimierandoholona ny volana may lasa teo. Araka izany, neken’ny HCC fa tsy maintsy solombavambahoaka voafidy no filohan’ny mpanohitra. Voafetra ho eo anivon’ny antenimierampirenena ihany anefa ny asan’io depiote lehiben’ny mpanohitra io, araka ny fanapahana. Naneho ny heviny ihany koa ny HCC ary nanambara fa tokony eo anivon’ny parlemanta mandritra ny fivoriana ara-potoana ihany no hisian’ny ady hevitra eo amin’ny mpanohitra sy ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta fa tsy ivelan’izay. Nolavin’ny HCC ary tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana ny fisian’ny mpanohitra ivelan’ny parlemanta izay afaka mifidy mpitarika iray na maromaro. Araka izany, miandry ny didy fampiharana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika izany sisa ity lalàna ity dia mihatra avy hatrany.
Nomena sehatra ny mpanohitra
Taorian’iny fanapahana iny, naneho hevitra ny Solombavambahoakan’i Madagasikara voafidy tao Miarinarivo, Fetra Rakotondrasoa, fa fametrahana ny fanoherana eto Madagasikara ho ao anatin’ny ara-dalàna iny lalàna iny. Ity farany izay hanafoana ny krizy miverimberina eto amin’ny Firenena. “Tanjona mba hoe anaty rafitra ara-dalàna no milalao politika isika eto Madagasikara”, hoy ny fanazavany. Dingana goavana no natao amin’ny endri-panoherana, hoy izy. Nomena toerana sy nomena laka anatina andrimpanjakana ny mpanohitra, dia ny Antenimierampirenena. Eo koa ny fametrahana araka ny tokony ho izy ny olom-boafidy. Raha tsiahivina, olom-boafidy mpanohitra no omena alalana hitarika ny asa fanoherana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena sy ny Firenena, arak’io tolo-dalàna io. Izany no natao dia mba hialana amin’ny fisian’ny olona tsy manana “légitimité” hitarika ny fanoherana. “Io lalàna io, tsy natao ho an’izao Fitondrana izao ihany, fa hipetraka ho an’ny Fitondrana hifandimby. Mety ho izahay indray ny ho mpanohitra amin’ny manaraka dia tsy maintsy hanaraka izany”, hoy izy.
Notsindriany fa tsy misy fanononana ny anaran’i Marc Ravalomanana mihitsy ao anatin’io lalàna io, ary tsy manana tanjona ny hanilika azy. Manana Depiote ao amin’ny Antenimieram-pirenena rahateo ingahy Marc Ravalomanana. Azon’ireo Depiote ireo tsara ny mirotsaka hofidiana amin’izany toeran’ny lehiben’ny mpanohitra izany raha toa ka mihevitra izy ireo fa tsara toerana amin’izany. Tsy fanilikilihana an’iza an’iza io satria natao ihatra amin’ny rehetra ny lalàna, hoy hatrany izy.
Ny Fanoratana.


