PolitikaSongadim-baovao

SAVOROVORO TAO BENETSY ANKILIMALINIKE: Fikomiana nataona andian’olona, tsy misy idiran’ny Base Toliara

Tsy misy idiran’ny resaka tetikasa Base Toliara ny savorovoro nitranga tao Benetsy Ankilimalinike, Toliara II, raha ny nambaran’ny Mpitandro filaminana, omaly. Tranga omby very niteraka fikomiana no nisy, hoy ny teo anivon’ny CIRGN Toliara…

Tsy misy idiran’ny tetikasa Base Toliara araka ny tsaho ahelin’ny sasany any an-tambazotran-tserasera ny tranga niseho tao Ankilivalo, Fokontany Benetsy, Kaominina Ankilimalinike, Distrika Toliara II, raha ny nambaran’ny Kaomandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandary “CIRGN” Toliara, Kolonely Randrianasolo Lova. Nomarihany, fa resaka fikomiana sy tsy fanajana lalàna no nitranga tany an-toerana. Raha ny fandehan’ity tranga ity, dia maro ny fitarainana voarain’ny mpitando filaminana momba ny fisiana omby very, izay hita tao an-tokontanin’ny lehilahy iray tao Ankilivao Benetsy. Ity farany moa, izay voalaza fa mpividy sy mpandray omby halatra. Nanao fidinana avy hatrany ny zandary, omaly maraina, niaraka tamin’ny Ben’ny tanànan’Ankilimalinike, saingy tsy nahita olona, tsy nahita io lehilahy voalaza io, fa omby 48 isa no tratra tao. Nentina namonjy ny biraon’ny kaominina Ankilimaliniky ireo omby, mba hanaovana fanamarinana ara-taratasy. Nisy andian’olona tonga anefa teo, nanao herisetra tora-bato sns, nitifitra tamin’ny basim-borona sy basin-trondro. Ankoatra izay dia nanao fanakanan-dalana tamin’ny alalana tsivalan-kazo tamin’ny RN9 ireo andian’olona.

Tsy nisy fampiasana basy nataon’ny mpitandro filaminana

Mba hisorohana ny fifandonana mahery vaika sy ny mety ho rà latsaka dia niala ny mpitandro filaminana taorian’ny fanolorana ireo omby. Tamin’izany no nanaovan’ny zandary fanaparitahana ireo andian’olona nanao fikomiana. Fiara miisa dimy no voatora-bato tamin’izany, ankoatra ny faharatran’ny olon-tsotra sasany miisa 06. Niezaka nandamina ny raharaha hatrany ny zandary, na dia ombam-pitaovam-piadiana aza, ireo andian’olona. Voatery nampiana isa ireo mpitandro filaminana, ka tamin’ny 04 ora sy sasany hariva dia nirosoana ny fanaparitahana tamin’ny alalana baoma mandatsa-dranomaso, izay notandrovana tanteraka tsy nisy fampiasana basy, hoy ny Kaomandin’ny CIRGN Toliara. Tamin’ny 06 ora dia nilamina ny tao an-toerana tafàla ny sakan-dalana. Handray fepetra mikasika ity fanelezana tsaho ity ny EMMO-REG sy EMMO-FAR ao Toliara, noho ny fandikan-dalàna niseho.

Stan R. / Rado H.  

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer