PolitikaSongadim-baovao

SAVOROVORO TAO IKONGO « Mila hajaina ny tany tan-dalàna, ary averina ny fitokisan’ny vahoaka ireo rafi-pitsarana »

Ankoatra ny Filohan’ny Repoblika, dia nitondra ny teny fiarahamiory amin’ny vahoakan’Ikongo ihany koa ny Governemanta tamin’ny alalan’ny Mpitondra teniny, ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly. Nambaran’ity tomponandraikitra ity fa tsy mitazam-potsiny ny Governemanta fa efa nandefa iraka manokana tany an-toerana, dia ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ireo Mpiara-dia aminy izany. Ny tolak’andron’ny omaly aza dia ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta mihitsy no tany an-toerana. Fampanantenana natao ny tsy maintsy isokafan’ny fanadihadiana, araka ny nambarany. Etsy ankilany, efa mandeha ireo fandraisana andraikitra maro samihafa ataon’ny Fanjakana.

Teo anatrehan’ity tranga ity, nanamafy ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo fa mila taizana amin’ny fanajana ny tany tan-dalàna ny vahoaka malagasy. “Misy ny didy aman-dalàna izay tsy maintsy hajaintsika. Tsy afaka isika ihany no manao ny fitsarana fa misy ny rafi-pitsarana”, hoy ny fanazavany. Na izany aza, niaiky ity tomponandraikitra ity fa mety ho tsy fatokisana ny rafi-pitsarana no mahatonga ny olona manao toy ireny, hany ka tsy matoky intsony na dia efa eny anivon’ny Mpitandro filaminana aza ny olon-dratsy. Eo ny ahiahy hoe sao sanatria votsotra indray ireo dahalo. “Mametraka anjara andraikitra lehibe amin’ireo rafi-pitsarana iny tranga iny, mba hamerina ny fitokisan’ny vahoaka malagasy amin’ny tontolon’ny fitsarana, ialana amin’ny tranga tahaka ireny”, hoy ny fanazavana. Notsindriany fa tsy afaka iaina anatina goragora na gaboraraka isika, fa tsy maintsy fehezin’ny didy aman-dalàna.

Fermer