PolitikaSongadim-baovao

SAZY HO AN’NY MPANOLANA: Nankatoavin’ny Depiote ny “famosirana” ireo voaheloka

Nolanina teny amin’ny Antenimierampirenena omaly 2 febroary 2024 ny lalàna famaizana vaovao ampiharina amin’ireo mpanolana zaza tsy ampy taona. Izany dia mifototra amin’ny famosirana ireo voaheloky ny Fitsarana.

Araka ny efa voafaritra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny Antenimieram-pirenena dia omaly no nodinihina nandritra ny fivoriambe azon’ny besinimaro natrehina ny  ny Volavolan-dalàna laharana faha-002/2024/PL tamin’ny 24 janoary 2024 manitsy sy manampy ireo andininy sasantsasany amin’ny Fehezan-dalàna famaizana na Code pénal malagasy. Ny anton’izao fanavaozana ny lalàna izao dia noho ny firongatry ny fanolanana mianjady amin’ny ankizy latsaky ny 18 taona sy ny hitondrana vahaolana ahafahana miady sy mampitsahatra io tranga io.  Araka izany dia naverina ny famaritana ny atao hoe fanolanana ary nohamafisina ny sazy ho an’ireo mpanolana. Isan’ny fanovana nentina tamin’izany ny fampidirana ny « castration », ho isan’ny sazy ho an’ireo izay manolana Zaza tsy ampy taona. Amin’ny ankapobeny ny “castration” endrika famosirana atao amin’ny lehilahy iray ka hanaisorana ny filàna aminy.

Misy karazany 2 ny « castration » dia ny « castration chimique » sy ny  » castration chirurgicale » ka miankina amin’ny vesatry ny heloka vitan’ny voapanga ny saziny. Ny « Castration chimique » dia atao amin’ny alalan’ny tsindrona, izay voafetra ny fotoana ao anatin’ny 6 volana ny maha vositra ny voaheloka hitsinjovana ny tsy fahafahany manolana. Ny « castration chirurgicale » kosa dia atao amin’ny alalan’ny fandidiana, izay sazy mandrapahafatiny. Ho henjana koa ny sazy hihatra amin’ny mpamerin-keloka izay iharan’ny sazy an-terivozona mandrapahafaty no miampy « castration chirurgicale » raha mbola tsy natao taminy izany teo aloha.

Lany teo anivon’ny Antenimieram-pirenena omaly io volavolan-dalana io. Ankoatra ny tanjona fanasaziana moa, dia heverina fa ampihemotra ireo olona mpanao izany fomba ratsy izany ny fanavaozana ny famaizana tahaka izao. Fiainana ankizy sy tanora maro tokoa mantsy no simba amin’ny trangana fanolanana. Ary misy mihitsy aza mbola zaza dia efa mizaka ny habibiana ataon’ny mpanolana.

Andrasana ny fandalovan’ny volavolan-dalàna eny anivon’ny Antenimierandoholona.

Fermer