Songadim-baovao
SEHA-PIHARIANA LAVANILA : Apetraka ny fanalalahana, hafainganina ny fahazoana alalana hanondrana
Nanatanteraka dinika fikaroham-bahaolana momba ny lavanila ao Sambava ny Filoha sy ireo mpisehatry ny lavanila ao Sava, omaly tolakandro. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanalalahana tanteraka ny sehatry ny lavanila, ary hapetraka ny kaomisiona eo anivon’ny minisiteran’ny Indostrika sy ny Varotra, ny Fiadidiana ny Repoblika ary ny fiadidiana ny Faritra handinika ny fangatahana…

Nanatanteraka dinika fikaroham-bahaolana momba ny lavanila ao Sambava, ny Filoha sy ireo mpisehatry ny lavanila ao Sava, omaly tolakandro, na dia efa nisy aza ny dinika samihafa natao teo aloha. Mandray anjara avokoa ny mpamboly, mpanangom-bokatra, mpividy sy mpanondrana lavanila sy ny maro hafa. « Tsy maintsy ifampizarana sy itadiavam-bahaolana eto avokoa ny olana rehetra, ary tsy mivoaka eto isika raha tsy mitovy hevitra », hoy ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ireo mpisehatra isan-tokony. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny fanalalahana tanteraka ny sehatry ny lavanila, izay hetahetan’ny maro anisa, nandritra ny dinika natao. Hitohy ny fifanakalozana hanatsarana ny fanaraha-maso ny fampiharana izany, mba hahazoan’ny tantsaha tombony. Homena fahazoan-dalana avokoa izay vonona hanondrana lavanila rehetra. Hisy ny kaomisiona apetraka eo anivon’ny minisiteran’ny Indostria sy ny Varotra, ny Fiadidiana ny Repoblika ary ny Fiadidiana ny Faritra, handinika ny fangatahana. Tsy maintsy mahazo valin-teny ao anatin’ny 48 ora amin’ny dingana tsy maintsy arahiny ny mpanao ny fangatahana, ary tsy maintsy mivoaka ao anatin’ny 48 ora, aorian’izay ny fahazoan-dalana.
Ankoatra izay, hisy ny fanatsarana sy fanamorana ny dingana lalovana amin’ny fanondranana ny lavanila, izay nampitaraina ny mpisehatra noho ny fitarazohana manimba ny vokatra. Voakasik’izany ny antontan-taratasy sy ny fitiliana ny vokatra. Hojerena koa ny momba ny fangatahan’ny mpandraharaha, ny hanalalahana ny lafiny laboratoara fitsirihana ny lavanila. Ireo no anisan’ny fepetra noraisina nandritra ny fifanakalozan-kevitra mivantana tamin’ny mpisehatra anatsarana ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara, notontosaina tao Sambava omaly, araka ny tsoa-kevitra nambaran’ny Filoham-pirenena, Andry Rajoelina.
Famerana ny vidiny 250 dolara…

Anisan’ny olana ny tsy fisian’ny mpividy ny vokatry ny tantsaha, ny fahambanian’ny vidiny, ny famoahana fahazoan-dalana. Ady hevitra anisan’ny misongadina ny fameran’ny Fanjakana ho 250 Dolara ny iray kilao, amin’ny lavanila aondrana any ivelany. Eo koa ny fangatahana ny hanalalahana tanteraka ny fandraharahana. Andrasana, araka izany, ny fanapahan-kevitra iraisana amin’ity dinika ity. Isan’ny fanehoan-kevitra nafana vay ny fanalalahana ity sehatra ity. Eo koa ny fanaovana hentitra ny fanaraha-maso ; ny fanomezana fahazoan-dalana ny tanora vonona hividy lavanila. « Hamafiso ny sazy ho an’ny mpangalatra sy ny mpanararaotra…”, hoy ny fanehoan-kevitry ny Mpisehatra nandray fitenenana. Milaza ho mahita vidiny ambanin’ny 250 Dolara ny mpandraharaha ivarotan’ireo mpamboly lavanila ny vokatra any ivelany, raha ny filazan’ireo mpisehatra sasany.



