RadioSongadim-baovaoToekarena

SEHA-PIHARIANA OMBY : Niaraha-nitady vahaolana ny mahakasika ny « FIB »

Antontan-taratasy tsy azo ihodivirana ao anatin’ny seha-pihariana omby ny “Fiche individuelle de Bovin – FIB” na ny Bokin’omby, izay manampy amin’ny fanarahamaso ny omby tsirairay amin’ny alalan’ny fisoratana anarana sy ny fanoratana ny mombamomba ny omby iray, toy ny daty nahaterahana, ny karazany, ny loharanon’ny kaonty, sy ny tantaran’ny fanafody sy ny vaksiny. Io dia manampy amin’ny fahazoana antontanisa marina amin’ny fiompiana omby, izay afaka mitarika amin’ny fanatsarana ny fepetra amin’ny fiompiana. Tao anatin’ny taona maro dia nisedra olana goavana ireo mpandraharaha amin’ny seha-pihariana omby noho ny tsy fisian’ny fitantanana mangarahara amin’ny fanomezana ny FIB.

“Ny tena mampitaraina dia mbola tsy tonga any amin’ireo mpiompy hoe hatraiza marina ny fitakiana vola any amin’izy ireo. Satria ny omby any ambanivohitra dia tena fananana. Araka izany, tokony mazava ny haba sy hetra takiana amin’ireo mpiompy satria lasa miteraka fahasahiranana. Ny vola alaina amin’izy ireo izay efa tafakatra aman’alina mihitsy”, araka ny fanazavan’ny Ben’ny tanànan’Amboanana Arivonimamo, Aristide Ratefinanahary. Marihina fa misy ambaratonga samihafa ireo dingana sy rafitra mila lalovan’ireo mpiompy omby. Manomboka any amin’ny veterinera izany, mandalo ao amin’ny delege, sy ny sisa.

Fiantraikany ara-toekarena sy tsy fandriampahalemana

Noho ireo olana mampitaraina ireo Ben’ny tanàna ireo indrindra no nahatonga ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy nikarakara sehatra ifanakalozana eo amin’ireo tomponandraikitra isan-tokony voakasik’izany. Tafiditra ao anatin’izany ireo Prefe, solombavambahoaka, mpitandro filaminana, ary ny fitsarana. “Olana goavana tokoa atrehin’ireo mpisehatra voakasika amin’izay seha-pihariana omby izay ny resaka manodidina ny fikarakarana ny FIB, izay misy fiantraikany ara-toekarena, sy eo amin’ny lafiny fandriampahalemana any amin’ny tontolo ambanivohitra sy ireo lalana tokony hizoran’ny andian’omby, satria sady harena no singa iray goavana ao anatin’ny kolontsaina malagasy ny omby”, hoy ny Loholona Lalatiana Rakotondrazafy tao anatin’ny lahateniny.

Nambarany fa nandritra izay fotoana nandraisany ny andraikitra maha Loholon’i Madagasikara azy izay dia nihaona tamina Ben’ny tanàna maro Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Ary isan’ny olana niverimberina foana nandritra ny fihaonana tamin’izy ireo ny resaka FIB. “Izany indrindra no nahatapa-kevitra ahy hoe raha hamaha ny olana isika dia aleo ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny fikirakirana ny FIB no hampihaonina”, hoy hatrany fanazavana.

Tsara ho fantatra fa ankoatra ny olana amin’ny fitantanana, mampitaraina ny mpandraharaha ihany koa ny fiovaovan’ny sarany, araka ny fari-piadidiany. Ny tsy fitovian’ny fiantsoana ny volon’omby, na ny “Robe bovine”, izay tokony hisy “standard”, araka ny fanazavan’izy ireo. Hany ka samy mamaritra izay mety amin’ny fari-piadidiany ny fahazoana ny solon’ny FIB, raha misy ny fahaverezana na ny fahasimbany.

Tanjona tamin’ny fametrahana ity sehatra ifanakalozana ity moa ny handroso vahaolana, na amin’ny fikitihana lalàna, na fanolorana lalàna vaovao mihitsy, araka ny fanazavana hatrany.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer