Songadim-baovaoToekarena
SEHATRY NY LAVANILA : Nihaona tamin’ny mpandraharaha ny minisitry ny Varotra
Nidina ifotony tany amin’ny Faritra SAVA, renivohitry ny lavanila maneran-tany ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra, ary ny asan-tanana, Rakotomalala Lantosoa ny farany herin’andro lasa teo. Nisongadina manokana tamin’izany ny fihaonany tamin’ireo mpisehatra sy mpandraharaha rehetra eo amin’ny sehatry ny lavanila. « Fotoana iray hahafahana mametraka miaraka fanamby iraisan’ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakana entina miatrika ity taom-piotazana ho an’ny fanondranana ity » hoy ny Minisitra. Teboka telo lehibe no nisongadina nandritra ny fihaonana. Anisan’izany ny fanokafana ofisialy ny taom-piotazana 2020-2021 ho amin’ny 15 Septambra 2020. Ny fandinihana ny vidin’ny lavanila eto amin’ny tsena anatiny sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Voaresaka koa fa hivoaka amin’ny herinandro ho avy izao ny lisitr’ireo mpanondrana nahazo fankatoavana ho amin’ny fanondranana. Tetsy ankilany, nanararaotra nitsidika ny toerana hametrahana ilay Ivon-toerana ambony amin’ny sehatry ny lavanila eto Madagasikara na « The World of Vanilla Complex » ny Minisitra. « Ity ivon-toerana ambony ity dia manamarina ny toerana voalohany hananan’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny lavanila maneran-tany » araka ny nambarany.



