
KolontsainaSongadim-baovao
SEHO SEHATRA SY FAMPISEHOANA : Afaka manao fampisehoana malalaka ny mpanao hira gasy
Fepetra noraisin’ny Filankevitry ny Minisitra, ny herinandro teo, ny famerenana ireo hetsika ara-javakanto sy ara-kolontsaina manerana ny Nosy, taorian’ny tsy fahafahana nanao izany, noho ny valanaretina Covid-19. Mifandraika amin’izay indrindra, nosokafana tamin’ny fomba ofisialy omaly ny taom-pikatrohana 2022 ho an’ny mpanao hira gasy. Nanatrika izany ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo.
Nankatoavin’ny Filankevitry ny Minisitra, ny herinandro teo, ny fangatahana nentin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny amin’ny hamerenana ireo hetsika ara-javakanto sy ara-kolontsaina manerana ny Nosy. “Ny tenako, hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsana Lalatiana Andriatongarivo, no niady tao anatin’ny Filankevitry ny Minisitra ny amin’ny tokony hahafahan’ireo mpanakanto mba manao hetsika sy fampisehoana amin’izay”. Isan’ireo zavakanto tsy afaka niaina ankalalahana ny tontolon’ny Hira gasy nandritra izay vanim-potoanan’ny Covid-19 izay. Ankehitriny, efa afaka manao fampisehoana malalaka ny mpanao hira gasy, araka ny nambaran’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo omaly, nandritra ny fanokafana ny taom-pikatrohana 2022 amin’ny hira gasy omaly, tao Ambohijafy Imerintsiatosika.
Tamin’ity fanokafana omaly ity, hira gasy goavana nifanandrinan-dRasoalalao Kaviha Ampahimanga sy Ratovoherison Ambohijafy Ambatonapoaka no nankafizin’ny vahoaka marobe, ity farany izay tarika vaovao vao niforona ka notsofin-drano manokana io andron’ny omaly io.
“Harem-bakoka ara-tsain’ny Zanak’olombelona”
“Ny hira gasy dia isan’ny Kolontsaina mampiavaka antsika Malagasy, haikanto feno dia feno satria misy mozika, dihy, hira, kabary ary tantara”, hoy ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Nambaran-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, nandritra ny lahateniny, araka izany, fa efa mandeha ny asa amin’ny hampidirana ny hira gasy ho ao anatin’ny lisitry ny “Harem-bakoka ara-tsain’ny Zanak’olombelona” eo anivon’ny Unesco, taorian’ny “Kabary malagasy”. Tanjona amin’izany, araka ny nambaran’ny Minisitra hatrany, dia mba hanomezana lanjany an’izany hira gasy malagasy izany eo amin’ny anatrehan’izao tontolo izao. “Vonona hiady hatramin’ny farany ny Minisitera ny hanomezan-danja ny hira gasy”, hoy izy.
Nangataka fanampiana tamin’ny Minisitra Lalatiana Andriatongarivo ihany koa ireo tomponandraikitra any an-toerana ho fanarenana ny Epp ao Ambohijafy. Tsy nisalasala ny Minisitra namaly izany, satria dia amin’ny alalan’ny Tagnamaro no hanarenana izany Epp izany, raha ny fanazavana hatrany.




