Songadim-baovao
Sekolin’ny Zandarimaria ao Ambositra : Nahatratra 20.000 ireo mpianatra ho zandary nandalo tao
Feno 45 taona katroka omaly ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena Ambositra. Noho ny fisian’ny « Hamehana ara-pahasalamana » dia tsy nisy ny fankalazana. Tiana ny manamarika fa nahatratra 20.000 ireo mpianatra ho zandary nandalo sy niofana tao, nandritra izay fotoana nijoroany izay…

15 aprily 1976-15 aprily 2021. Feno 45 katrotra omaly ny Sekolin’ny Zandarimariam-pirenena ao Ambositra, raha naorina tamin’ny 15 aprily 1976. Ny Jly Ravalomanana Richard, Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimaria sy ny Jly Andrianjanaka Njatoarisoa, Kaomandin’ny Zandarimariam-pirenena ary ireo Tomponandraikitra ambony sy mpiara-miasa rehetra eto anivon’ny Zandarimaria dia mitondra ny teny fiarahabana ombam-pirariantsoa ho an’ny Sekoly, izay eo ambany fibaikoan’ny Jly Miandrisoa Olivier. Andraikitra sy adidy masina no mipetraka amin’ny Sekoly izay manofana ireo tanora hanatevin-daharana ireo zandary miaro ny vahoaka sy ny fananany. Noho ny « Hamehana ara-pahasalamana » lalovan’ny firenena ankehitriny, dia tsy nasiana ny lanonana fankalazana izany faha-45 taona izany. Raha ny tantara nodiavin’ny sekoly tokoa mantsy, tamin’io taona io no niorina sy notokanana ny sekoly, ary teo ambany fiahian’ny Kolonely Joël Rakotomalala, Praiminisitra lehiben’ny Governemanta malagasy tamin’izany fotoana, izay nitondra ny anarana hoe : Sekoly Zandarimariam-pirenena Ambositra na « SZPA » ary mitondra ny tarigetra hoe : « Fahaizana sy Fahendrena ». Napetraka ara-pomba miaramila tamin’io daty io koa ny Kapiteny Andriamahefa Hemercellin, ho Kaomandin’ny Sekoly, izay marihina etoana fa manamboninahitra malagasy voalohany hibaiko ny Sekoly.
Nahatratra 20.000 ireo mpianatra ho zandary nandalo

Ny taona 1996, tamin’ny fankalazana ny faha 20 taon’ny Sekoly dia novaina izany anaran’ny Sekoly ka natao hoe « Ecole de la gendarmerie nationale d’Ambositra (EGNA) » araka ny didim-panjakana laharana faha 96-568 natao ny 15 jolay 1996, anarana izay mbola isalorany mandraka ankehitriny. Nosalorana ny anarana hoe « Jeneraly Andriamahefa Hemercellin » ny Sekoly izay Manamboninahitra malagasy voalohany nibaiko ny Sekoly Zandarimariam-pirenena Ambositra na « SZPA », ny 10 oktobra 2020. Tsara homarihina fa mbola matanjaka tsara ity manamboninahitra ity ary tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokanana voalaza farany io. Hatramin’ity taona diavina ity, efa mahatratra 20.000 ny mpianatra ho zandary nofanin’ny Sekoly ary ny 600 tamin’ireo dia vehivavy. Efa tafakatra 400 koa ireo mpianatra tao no lasa Manamboninahitra jeneraly sy Manamboninahitra ambony na manambonihitra zandary ankehitriny. Rehefa tafara-dia amin’ireo Zandary tokoa dia saika heno hatrany ny hoe : « Fahaizana sy fahendrena », « Tanindrazana sy lalàna » ary « Ho an’ny tanindrazana »…



