PolitikaSongadim-baovao

SEKRETERA MPANATANTERAKY NY SADC : Afapo amin’ny fikarakarana ataon’i Madagasikara

Mandroso araka ny tokony ho izy ny fandaharam-potoana rehetra mahakasika ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny SADC eto amintsika. Omaly, nandray ny Sekretera Mpanatanteraky ny SADC, Andriamatoa Elias Magosi, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Niompana indrindra amin’ny fanomanana ny andiany faha-45 ny fihaonana an-tampon’ireo Filoham-pirenena sy Mpitondra fanjakana eo anivon’ny SADC ny fihaonan’ny roa tonta. Nankasitrahan’ity Sekretera Mpanatanteraky ny SADC ity manokana ireo ezaka nataon’ny firenena Malagasy ho fahombiazan’izany fihaonana lehibe izany, ary efa hita taratra izany hoy izy tamin’ireo fivoriana samihafa efa nanomboka ny 4 aogositra lasa teo, na teo amin’ny fandraisana, ny lafiny tekinika, ny arofenitra sy ny filaminana. Notsindriany fa afapo tamin’ny fanomanana rehetra ny tenany hatreto.

Nandritra ny fihaonany tamin’ny Filohan’ny Repoblika omaly no nanambarany fa manohana feno ny Filoha Rajoelina amin’ny fanatanterahana ny andraikitra maha Filohan’ny SADC azy ny tenany. Nohamafisiny fa vonona hanampy sy hanome tantsoroka an’i Madagasikara izy ireo mandritra ny fepotoam-piasana herintaona. Nampahafantariny koa fa samy hahazo tombony avokoa ireo firenena rehetra mpikambana ao anatin’izao fihaonana an-tampony tanterahina eto Madagasikara izao. Satria io no fotoana hahafantarana bebe kokoa an’i Madagasikara, ary koa, hahafantaran’i Madagasikara ireo firenena hafa rehetra ireo. Hisy fiarahamiasa maro apetraka ho teraka mandritra izany, toy ny amin’ny sehatry ny fahasalamana, fanabeazana, maha olona sy ny sisa, araka ny fanazavana.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer