Songadim-baovaoSosialy

SENDIKAN’NY PARAMED MPIASAM-PANJAKANA: « Tsy tokony ho afangaro ny fitakiana teknika sy ny hetsika ara-politika »

Eo anatrehan’ny toe-draharaham-pirenena misy ankehitriny, dia misy ireo mitonona ho sendika eo anivon’ny Minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka no manao fanambarana amin’ny haino aman-jery, izay lasa manao fitakiana politika tanteraka raha toa ka voalaza fa raharaha anatiny eo anivon’ny Minisitera no niandohan’ny fangatahana. Tsara ho fantatra fa maherin’ny 10 ny sendika eo anivon’ny ministeran’ny fahasalamam-bahoaka. Tanjon’ny iombonan’ny sendika ny fikatsahana ny tombontsoa arak’asa ho an’ny mpiasan’ny fahasalamana, saingy samy manana ny fomba sy ny vina hanatanterahana izany ny sendika tsirairay. Ho an’ireo sendikan’ny infirmiera sy ny mpampivelona mpiasam-panjakana dia tsy tokony ho afangaro amin’ny hetsika politika ny ara-teknika, manoloana ny fisian’ireo sendika vitsivitsy manararaotra ny zava-misy ankehitriny. Toy ny efa nisy teo aloha dia naneho fahavononana hatrany amin’ny fifampiresahana sy ny fifampihainoana ny sendikan’ny infirmiera sy mpampivelona mpiasam-panjakana, hoy Tolotra Rakotondrazafy, Filohan’ny sendikan’ny paramed mpiasam-panjakana.
Mahakasika ny resaka « avancement » ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana kosa indray dia nitondra fanazavana mahakasika izany ny talen’ny fitantanana ny mahaolona eo anivon’ny ministera. Nambarany fa niroso hatrany ny fikarakarana ny « avancement » ho an’ireo mpiasan’ny fahasalamana manerana ny nosy saingy misy kosa anefa ny dingana tsy maintsy arahina amin’ny fanatanterahana izany. Tsiahivina fa afak’omaly dia nisy ihany koa ireo solotenan’ny mpiasan’ny fahasalamana ahitana ny solotenan’ny mpitsabo, ny paramed ary ny mpirakidraharaha izay nanao fanambarana fa manohy ny asany andavanan’andro ho fanajana ny fianianana nataon’izy ireo sy ho fitsinjovana ny ireo vahoaka mila ny tolotra ara-pahasalamana.
LR.

Laisser un commentaire

Votre adresse e-mail ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Fermer