Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
SERANAM-PIARAMANIDINA AO NOSY BE: Volamena 1,795 kg tratra saika naondrana an-tsokosoko
Mitohy hatrany ny fahatrarana fanondranana volamena an-tsokosoko, vokatry ny asa ataon’ny Fadintseranana malagasy. Araka ny fampitam-baovao nataon’izy ireo omaly, dia volamena milanja 1,795kg indray no tra-tehaka tao amin’ny seranam-piaramanidina Nosy Be, omaly. Mpandeha efatra saika nihazo an’i Dubai ireto sarona ireto, izay teratany Malagasy avokoa. Izy ireo izay nampidirina am-ponja vonjimaika avokoa.
Manao sesilany tato ho ato ny fahatrarana fanondranana volamena an-tsokosoko. “Miha avo lenta hatrany ny fomba fanaon’izy ireo amin’izany, nefa noho ny fahamailoana sy ny traikefa ananan’ny fitantanan-draharaha ny Fadintseranana no nahatrarana indray izao fomba mamohehatra izao”, hoy ny fampitam-baovaon’ny Fadintseranana malagasy omaly. Araka ny fanazavana, dia mpandeha efatra saika hihazo an’i Dubai indray, izay teratany Malagasy avokoa, no tra-tehaky mpiasan’ny Fadintseranana tao amin’ny seranam-piaramanidin’ny Nosy-Be rehefa natao ny fisavana azy ireo. Volamena 1,795 kg no hita tao anatin’ny entana entina an-tanana nentin’izy ireo. Nopetahana volafotsy sy vy ireto volamena ireto ary ny sedra natao no nanamarinana ny ahiahin’ireo mpiasan’ny Fadintseranana. Notanana am-ponja vonjimaika ireto mpanondrana an-tsokosoko ireto.
Raha tsiahivina dia, ny 28 Jona 2022 lasa teo no nahatrarana volamena 835 grama sy vatosoa sarobidy teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, izay saika haondrana tany amin’ny Nosy Maorisy. Ity farany dia tao anatin’ny vatan’ilay mpanondrana an-tsokosoko no nahitana azy.
Fanatsarana ara-teknolojia ny eny amin’ny ladoany
Etsy ankilany, manao ezaka ho amin’ny fanatsarana ara-teknolojia sy mampitombo ireo olony amin’ny fiarovana ny sisintany ny eo anivon’ny Fadintseranana malagasy amin’izao fotoana izao, araka ny nambaran’ny Tale Jeneraliny, Lainkana Zafivanona Ernest, ny 29 jona teo, raha nihaona tamin’ny mpanao gazety. Eo am-panafarana ny fitaovam-pitsirihana ny vatana ihany koa ny mpitantana ankehitriny, na ilay antsoina hoe “Body scan”. Efa eo am-panamboarana izany fitaovana izany ankehitriny. Lafo ny vidin’ny fitaovana, ka efatra ihany aloha no novidian’ny ladoany. Ny seranam-piaramanidina Ivato, Nosy Be, Toamasina, Mahajanga, ireo aloha no hisitraka azy. Izany no natao dia mba hanatsarana sy hampahomby kokoa ny asan’ny Fadintseranana. “ Efa manomboka hita taratra ny ezaka sy ny fandraisana andrakitra ataontsika na dia eo aza ny tsy fahampian’ny olona sy ny fahafaha-manao ho amin’izany, noho ny tsy fahampian’ny famatsiam-bola”, raha ny nambaran’Andriamatoa Tale Jeneraly, manamarina izany ny fahatraran’ny Fadintseranana ireo fanetriben’ny firenena, izay nisesisesy tato ho ato. “Nahitam-bokatra sahady ny fanamafisana ny fanaraha-maso ny sisitany ary tsapa fa nahomby ny lamina napetraka”. “Manaporofo izany ankehitriny ny nahatratehaka ireto mpanondrana an-tsokosoko ireto, izay nanao izany tamin’ny fomba mamohehatra”, hoy izy raha nitatitra ireo trangana fanondranana an-tsokosoko volamena nafenina tany amin’ny fitombenana, indroa miantoana izay.
Andrasana ny ho tohin’ireo raharaha fanondranana volamena rehetra ireo.




