Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina

SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Israelianina iray sarona nitondra sokatra sy Tanalahy ary Bibilava an-tsokosoko

Mahazo vahana indray ny famoahana an-tsokosoko zava-mananaina tsy misy afatsy eto Madagasikara, amin’izao fotoana. Taorian’ny fahatrarana ireo sokatra sy varika anarivony tany Thailande, ny herinandro teo, dia Sokatra sy tanalahy ary Bibilava indray no saron’ny Fadintseranana malagasy omaly teny amin’ny seranam-piamanidina Ivato.

Teratany israelianina iray saika iondrana amin’ny sidina “Ethiopian airlines” ny tolakandron’ny omaly no tra-tehaky ny fadintseranana malagasy, saika hanondrana sokatra, tanalahy, ary bibilava an-tsokosoko any Grèce.

Araka ny fanazavan’ny Tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy, Lainkana Erneste Zafivanona, miisa 31 ny fitambaran’ireo zava-manan’aina ireo. Maherin’ny 20 ny tanalahy, 8 kosa ny sokatra, ary Bibilava ny enina. Sary sokitra misy sarina sokatra no nampiasan’ilay nitondra azy ka mety haha voafitaka tokoa raha tsy avo lenta fanarahamaso. Marihina fa ny eny anivon’ny fadintseranana, ankoatra ny fampiasana ny “scanner” dia misy koa ny alika nofanina manokana, afaka mitsirika raha ohatra ka misy biby na zava-mananaina hafa ao anatin’ny entan’ny mpandeha iray, araka ny fampitam-baovao. Nanamafy ny Tale jeneralin’ny Fadintseranana malagasy fa raha ny olona sy ny fitaovana eo am-pelatanan’izy ireo eny anivon’ireo seranana dia ampy handravana ny fikasana hanondrana an-tsokosoko.    Tsara ho fantatra fa atolotra ny Minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy avy hatrany ireo biby ireo hahafahan’izy ireo miverina any amin’ny toerana fivelomany.

Fermer