Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina
SERANAM-PIARAMANIDINA IVATO: Sarona ny vola 28 775 Euros nokasaina haondrana an-tsokosoko
Saron’ny mpiasan’ny Fadintseranana teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato omaly ny fikasana hanondrana an-tsokosoko vola vahiny mitentina 28.775 euros. Araka ny fanazavana, tratra tany amin’ny mpandeha tamin’ny sidina AF 935 ho any Paris CDG io vola io. Rehefa avy nandalo teo amin’ny scanner ilay entana noenti-tanana, dia nosavain’ny mpiasan’ny Fadintseranana ka teo no nahatrarana ireo vola vahiny ireo.
Nampahatsiahy, araka izany, ny teo anivon’ny Fadintseranana, fa araka ny taratasy N° 001 2021-MEF/SG/DGT/DGD natao tamin’ny 13 jolay 2021, dia azo atao ny mitondra vola vahiny hatramin’ny 10.000 euros na mitovy sanda amin’izany ny mpandeha, ary tsy mila taratasy fanamarinana izy amin’izany. Raha toa kosa ka mihoatra ny 1.000 euros na ny mitovy sanda amin’izany ny teti-bidin’ny vola vahiny entiny, dia tsy maintsy apetraka eny amin’ny Biraon’ny Fadintseranana ny taratasy fanamarinana ny nanakalozana ilay vola, izay avy amin’ny Bureau de change, na avy amin’ny mpanelanelan-draharaha ekena ho ara-dalàna. Izany dia fanamarinana mifanaraka amin’ny sandambola mihoatra ny 1.000 euros.
“Raha tsy nisy ny fanambarana natao momba ilay vola vahiny, na tsy marina ilay fanambarana natao, dia azon’ny Fadintseranana henjehina araka ny lalàna ilay olona. Hosaziana izy handoa onitra mitovy amin’ny tontalin’ilay vola vahiny, amin’ny sandam-bola Ariary. Mety hiafara amin’ny fanagadrana mihitsy koa ny sazy”, hoy ny fampitam-baovaon’ny fadintseranana malagasy omaly. Ity farany izay nanamafy tao anatin’ny fanambarana izay nataony fa manamafy hatrany ny fanarahamaso ny fampidirana na famoahana entana antsokosoko eto amin’ny Firenena.




