Songadim-baovaoToekarenaTrangam-piaraha-monina
SERANAMPIARAMANIDIN’I TOLIARA: Basy sy bala maro nampidirina an-tsokosoko
Basim-borona 10 (calibre 12), bala (calibre 12) miisa 350 sy bala 100 ana 22 long rifle, ireo sarona tamina lehilahy iray, teratany vahiny, saingy mizaka ny zom-pirenena malagasy, nandritra ny fisavana nataon’ny mpiasan’ny Fadintseranana malagasy. Araka ny fanadihadiana, tsy misy taratasy nanome alalana ny fampidirana ireo basy sy bala ireo eto amin'ny tanin'ny Repoblikan'i Madagasikara. Mitohy kosa ny fanadihadiana izay mety ho ambadik’izany.
Ny alatsinainy atoandro, tokony ho tamin’ny 10ora, rehefa nanao ny fisavana (fouilles économiques) ireo mpiasan’ny fadintseranana dia nahatratra lehilahy iray miaraka amin’ny basy sy bala maro be voalaza fa, nampidirina an-tsokosoko. Sarona nandritra izany ny basim-borona 10 (calibre 12), bala (calibre 12) miisa 350 sy bala 100 ana 22 long rifle. Teo ihany koa ny taratasy nandefasana (certificat d’expédition) an’ireo fitaovam-piadiana ireo miisa 6 sy taratasy fanambarana 4 (lettre de déclaration d’armes) ; fanomezan-dalana hividy (autorisations d’achat) sy fanomezan-dalana hitazona (autorisation de détention d’armes) amin’ny anaran’olona 10 samy hafa.
Ny taratasy manome alalana ny fampidirana ireo basy sy bala ireo eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara no tsy misy, araka ny tatitra. Misokatra ny famotorana, iarahana amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny mpanao fanadihadiana eo amin’ny sehatry ny Harena an-kibon’ny Tany.
Mbola tsy mazava, noho izany, izay tena tao ambadik’ity fampidirana basy an-tsokosoko ity. Ho ampiasaina amin’izay tokony hampiasana azy tokoa ve? sa iomanana amin’ny fanaovana asa ratsy sanatria? Sa tetika saika itondrana korontana eto amin’ny firenena amin’izao ankatoky fiomanana amin’ny fifidianana izao?
Ny Fanoratana.


