PolitikaSongadim-baovaoSosialy
SERANAN-TSAMBON’I TOAMASINA : Manao tohivakana ny fahatongavan’ireo sambo mitondra PPN sy Vary Tsinjo
Rehefa niantsona tany amoron-tsiraka nandritra ny iray volana mahery dia tafiditra soa aman-tsara ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, ny Sambo (Sun Bulk) mitondra PPN sy « Vary Tsinjo » nafaran’ny SPM. Ankoatra io, maro be ireo sambo tsy afa-niantsona tao Toamasina, noho ny toetr’andro, ary efa mitandahatra any amoron-tsiraka. Isan’izany ny Sambo Kyran Caspian, izay mitondra Vary Tsinjo 12 000 taonina.
Vahaolana noraisin’ny Fitondram-panjakana hamatsiana ny tsena anatiny eto amintsika, sy hanalefahana ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny fiakaran’ny vidin’entana, indrindra ny vidim-bary, ny fanafarana ny “Vary Tsinjo”. Araka ny tenin’ny Filoha dia sambo 20 no nafaran’ny Fanjakana hitondra PPN sy Vary Tsinjo eto Madagasikara. Efa manao tohivakana ny fahatongavan’izany ankehitriny, ankoatra ireo efa tonga hatramin’ny taon-dasa. Olana sedrain’ireo sambo kosa anefa, tsy hahafahan’izy ireo miantsona ara-potoana ny lafiny toetr’andro. Isan’izany ny sambo Sun Bulk izay mitondra vary tsinjo 2 500 taonina, izay efa tafapaka ao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny faran’ny herinandro teo, rehefa niantsona tany amoron-tsiraka nandritra ny iray volana mahery.
Araka ny fanazavana avy amin’ny orinasa SPM, noho ny haratsian’ny andro misesisesy ao Toamasina nanomboka ny volana Febroary lasa teo dia maro dia maro ireo Sambo mitondra PPN mitandahatra ao amoron-tsiraka miandry fiantsonana. Anisan’izany koa ny Sambo Kyran Caspian izay mitondra Vary tsinjo 12 000 taonina, izay miantsona ao amoron-tsiraka efa ho 3 herinandro izao.
« Manao ezaka ireo tomponandraikitra rehetra ao amin’ny seranan-tsambo hanafainganana ny operations ary miasa andro, miasa alina mihitsy raha vao tsy misy ny orana fa na izany aza dia ambany dia ambany ny taha fampidinana entana (500t/jour raha toa ka 1500t/j rehefa tsara ny andro 24h/24)”, hoy hatrany ny seraseran’ny orinasa SPM.
Toetr’andro ao Toamasina
Raha ny fanazavan’ny SPM hatrany, na dia eo aza ny ezaka rehetra atao dia tsy afa-manoatra amin’ny fahafaha-manao noho ny haratsian’ny andro misesisesy ao Toamasina, nanomboka ny volana Febroary teo ny mpiasa. Araka ny fampitam-baovaon’ny SPM, ny herinandro teo, ny Sambo Jacob H izay mitondra Vary Tsinjo 22 000 taonina izao efa niantsona ao an-tseranana nandritra ny 20 andro kanefa dia mbola 6000 taonina monja ny Vary tafidina an-tanety, raha toa ka tokony efa vita tanteraka izany asa izany raha toa ka tsara ny andro.
Ny SPM izay nanazava fa ambony ny tahan’ny fanjifana ny vary nafarana eto amintsika. “Hatreto dia hita fa lany avokoa izay tafidina avy eny ambony sambo ary tsy misy mijanona ao anaty hangar mihoatra ny ora vitsivitsy”, hoy hatrany ny fanazavana. Na izany aza dia natao izay ezaka rehetra tsy hahatapahan’ny famatsiana Vary Tsinjo manerana ny Nosy indrindra amin’izao vanim-potoana faran’ny maintso ahitra izao.




