SamihafaSongadim-baovao

SERASERA: Nohavaozina sy nomena fampitaovana ny TVM sy RNM Ambatolampy

Tonga nanolotra fitaovana ho an'ny TVM sy RNM Ambatolampy sy nijery ny fahavitan'ny asa fanamboarana ny tranon'ny TVM/RNM Ambatolampy Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon'ny ORTM, omaly. Fitaovana izay nampanantenainy ny vahoakan'Ambatolampy herinandro vitsy lasa izay.

Nandritra ny fetin’ny Mimoza izay nosokafan’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Lalatiana Andriatongarivo, tamin’ny fomba ofisialy izany, herinandro vitsy lasa izay, no nangatahan’ny Vahoakan’Ambatolampy tamin’ny alalan’ny Solombavambahoaka ny hijerena manokana ny RNM sy ny TVM satria tsy ampy ny fitaovana. Tsizarizary tokoa ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana rehetra niasa tao amin’ity rantsamangaikan’ny RNM sy TVM ao an-toerana ity. Teo anatrehan’izany, nanaovana ezaka manokana ny ao Ambatolampy satria hita sy tsapa ny fahasahiranan’ny mponina amin’ny tsy faharaisana ny RNM sy TVM. Marihina fa tsy fitaovana ihany no natolotra fa nisy koa fanavaozana tanteraka fotodrafitrasa misy ny RNM sy TVM, miaraka amin’ny birao fiasana. Tetsy ankilany, teo anatrehan’ny fahamahana ny olana ao Ambatolampy dia nilaza ny Solombavambahoaka any an-toerana, Rakotomalala Miarintsoa, fa tena miasa ny Fitondram-panjakana. Efa ela rahateo, araka ny nambarany, no tsy nanana fitaovana ireo mpiasan’ny TVM sy RNM ao Ambatolampy. Azo antoka, araka izany, fa hitondra ainga vao ho amin’ny fampandrosoana any an-toerana indray izao fampitaovana nataon’ny Minisitera izao.

Fitaovana samihafa…

Ho famaliana indrindra ny fangatahan’ny mponina, noho izany, dia tonga nanolotra fitaovana ho an’ny TVM sy RNM Ambatolampy sy nijery ny fahavitan’ny asa fanamboarana ny tranon’ny TVM/RNM Ambatolampy Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Andriatongarivo sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ny ORTM, omaly. Fitaovana izay nampanantenainy ny vahoakan’Ambatolampy herinandro vitsy lasa izay. Tafiditra anatin’ireo fitaovana natolotra omaly ny fandraisana sy fampitana sary sy feo (haute fréquence) : émetteurs TV sy FM miaraka amin’ny stabilisateur. Nohavaozina ihany koa ny antenne TV sy radio eto Ambatolampy. Ao ihany koa ireo fitaovana ho an’ny studio TV sy Radio : moniteur audio, moniteur TV, melangeur video, table audio, stabilisateur, cameras, lecteur audio, micro, sns… Eo koa ireo latabatra sy seza ary fitaovana birao manamora ny asan’ny TVM sy RNM any an-toerana.

Tonga nijery ny fahavitan’ny asa fanamboarana ity tranon’ny TVM sy RNM ity izay potika tanteraka ihany koa ireto delegasionina avy any Antananarivo ireto. Namboarina tamin’izany ny rindrin’ny trano sy ny valindrihana, nolokoina ny rindrina, nosoloina ny varavarana sy ny varavarankely, namboarina sy nolokoina ny tamboho. Izany hoe, fanamboarana tanteraka no natao. “Mitohy hatrany ny fampitaovana tsikelikely ireo TVM/RNM isaky ny distrika manerana an’i Madagasikara, manenjika ny fahatarana goavana nisy an-taonany maro”, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Fermer