Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
SOANIERANA VOHIBATO: Olona dimy nilatsaham-potaka, efatra indray namoy ny ainy
Nisesisesy ny olona namoy ny ainy nilatsaham-potaka ! Vao ny laokandro ny omaly indray, tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, olona dimy no indray nilatsaham-potaka tao Androingivy, fokontany Soanierana Andranomiditra, distrikan’i Vohibato. Olona efatra no indray namoy ny ainy teo no ho eo, ka mpivady ny roa, raha lehilahy iray 27 taona sy vehivavy iray 26 taona ireo hafa. Zazalahikely iray no nieren-doza, ka nentina tao amin’ny CSBII tao Mahasoabe. Tsy nisy ny fananana simba, ary efa eo anatrehan’ny fianakaviana ny fatin’ireo namoy ny ainy. Matetika isehoana olona namoy ny ainy nilatsaham-potaka tato ho ato, isan’izany ny tokantrano iray nidiran’ny varatra tao Sahafohy, Boriborintany Antaninalalava, fokontany Ambalabe, kaominina ambanivohitra Fianarantsoa, ny 2 febroary, tokony ho tamin’ny 3 ora latsaka fahefany. Efatra mianaka no niharam-boina ka ny telo no namoy ny ainy ary ny iray kosa, mbola manaraka fitsaboana eny amin’ny hopitaly Manarapenitra Andrainjato. Mpivady niaraka tamin’ny zanany ireo namoy ny ainy ireo, raha naratra mbola tsaboina ilay vehivavy iray. Ny nofo mangatsikan’ireo niharam-boina dia efa eo am-pelatanan’ny fianakaviana.
Ankoatra ireo, vao ny 26 janoary lasa teo, koa no nisy olona maromaro nilatsaham-potaka tao amin’ny fokontany Vinanitelo Centre, distrikan’i Vohibato. Araka ny angom-baovao, avy nanao batemy ny zanak’izy ireo ity fianakaviana iray ity, ny androtr’io 26 janoary lasa teo io, Tokony ho tamin’ny 5 ora hariva, dia nirefotra ny varatra raha mbola iny tao anatin’ny korana tao an-trano iny ry zareo. Avy any amin’ny varavarankely amin’ny efitra avaratra ambony rihana no niditra ity varatra ity, ary nandehandeha eraky ny trano, ka niteraka izao voina izao. Vokany, olona dimy no indray namoy ny ainy. Efatra no lahy raha iray no vavy. 52 taona ny salan-taonan’ireo Rangahy sy Ramatoa, raha tanora 35 taona sy 20 taona ny roa, raha vao 6 taona monja kosa, ilay namoy ny ainy farany. Maro, araka izany, ny tranga resaka filatsaham-potaka rehefa fotoam-pahavaratra tahaka izao, ka mila hamafisina ny fanentanana amin’ny fepetra vitsivitsy tokony horaisin’ny isam-batan’olona, rehefa avy ny orana na mitselatra na migodona ny andro.
Pierre M.




