Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina
SOAVINA NOSY VARIKA: Trano miisa 300 kilan’ny afo tanteraka, 598 ireo olona traboina
Mila mitandrina fa ny loza tsy mampandre! Nitrangana haintrano ny tanànan’i Manakana 4, ao anatin’ny fokontany Marovato II, anatin’ny distrikan’i Nosy Varika, ny zoma lasa teo, tokony ho tamin’ny 4 ora tolakandro. Araka ny angom-baovao, afo avy tao an-dakozian-dRtoa Zanatody, Tato ary Nôno no niantombohan’ny haintrano. Nandravarava tanteraka ny afo satria tafakatra hatrany amin’ny 300 no isan’ireo trano may tanteraka. Ankoatra izay, nahatratra 29 kosa, ireo voatery tsy maintsy narodana. Nahatratra 598 eo ho eo ireo olona traboina. Mavesatra dia mavesatra ny fahavoazana satria tombanana ho 100 tapitrisa Ar ny tombam-bidin’ny zavatra simba sy may nandritra ity loza ity. Noho ny fahasarotan’ny fifandraisana sy tsy fisiana tambazotra no antony nahatonga ny fanaovana antso avo amin’ny Fitondram-panjakana mahefa. Heverina, araka izany, fa hisy tomponandraiki-panjakana hanoina ny antson’izy ireo manoloana izao voina goavana mihatra amin’ireto fokonolona ireto izao.
Misesisesy ny fahamaizana any amin’ny faritra
Mitaky fitandremana fatratra satria miverina misesisesy indray ny haintrano tato ho ato, indrindra ny any amin’ny faritra. Vao ny sabotsy lasa teo, tokony ho tamin’ny 5 ora sy sasany maraina, fa may kilan’ny afo ny tranona renim-pianakaviana iray, tao amin’ny Fokontany Mangily, Kaominina Ambanivohitra Belalanda, Distrikan’i Toliara II. Na izany aza, tsy nisy ny aina nafoy, fa ilay Ramatoa kosa, main’ny afo, izay mbola mitsabo tena any Toliara. May tao daholo ny entana nohariany, ankoatra ireo izay nanakaiky ny varavarana, mba tafavoaka. Ankoatra izay, vola mitentina 6 tapitrisa Ar mahery no may. Raha natao ny tombam-bidin’ ireo entana may tao anatin’ilay trano, ankoatr’io vola io, dia mitentina 11 tapitrisa Ar eo ny tombam-bidin’ireo entana may. Misokatra ny fanadihadiana momba ny antony nahatonga ny loza marina.
Pierre M.




