Songadim-baovaoToekarena
SOKATRA NAONDRANA TANY THAÏLANDE : Tafaverina tamin’ny zoma ireo 757 ambiny
Efa tafaverina an-tanindrazana avokoa ireo varika sy sokatra nahondrana an-tsokosoko tany Thaïlande, tratra tamin’ny fiandohan’ny volana mey 2024. Tamin’ny zoma lasa teo no tongasoa teto Madagasikara ireo sokatra Pyxis arachnoides miisa 757 ambiny sisa tavela tany Thaïlande. Raha tsiahivina, natao in-telo mihatoana ny fampodiana ireo harenan’i Madagasikara ireo. Tamin’ny 01 desambra teo no tonga teto amintsika ny Varika miisa 16. Varika miisa 31 sy sokatra miisa 155 kosa no tonga tamin’ny 04 desambra lasa teo. Ireo tafaverina tamin’ny zoma lasa teo ireo ny sokatra miisa 757 andiany fahatelo farany. Raha ny fanazavana avy amin’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy (MEDD), nisy maty tany Thaïlande n’y sasany tamin’ireo biby ireo.
Nandray an-tanana avy hatrany ireo sokatra tonga farany ireo ny MEDD sy ny Turtle Survival Alliance (TSA). Fantatra fa halefa any amin’ny Eden Botanical Garden any Toliara ireo sokatra ireo, toerana izay afaka mikarakara tsara sy manao ny fanaraha-maso ny fahasalamany. Nomarihin’ny MEDD fa vokatry ny ezaka nataon’ny Fanjakana malagasy, ny mpiara-miombon’antoka ary ny Fanjakana thailandais no nahafahana nikarakara ny famerenana ireo biby ireo. Maromaro, teo anelanelan’ny volana mey sy desambra, ireo adisisika sy fifampiresahana notanterahana ka nahafahana namerina indray teto amintsika ireo harena voajanahary nahondra an-tsokosoko tany Thaïlande ireo. Azo lazaina ho fahombiazana, araka izany, ny paikady napetraka. Na izany aza, “tohizana sy hamafisina hatrany ny hanaraha-maso sy ny fiarovana ireo harenantsika. Ny Fanjakana malagasy dia manao laharam-pahamehana hatrany ny ady amin’ny fitrandrahana an-tsokosoko ny harena voajanahary”, hoy ny fampahafantaran’ny Ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Ankilany, mitohy hatrany ihany koa ny fanadihadiana mahakasika ity raharaha ity. Tanjona ny handravana tanteraka ny tambazotran’ny ratsy. Tsiahivina fa mbola misy olona 3 karohina ao anatin’io raharaha Thaïlande io. Efa nandraisina fepetra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izy ireo ka raha vao mivoaka ny sisin-tany dia hahazo famoandrenesana avy hatrany ireo tompon’andraikitra. 9 ireo nampidirina am-ponja eto amintsika, raha toa ka 6 kosa ireo efa migadra any Thaïlande.
Sarobidy Sidonie.




