Songadim-baovao

SOSIALIM-BAHOAKA : Fokontany 14 nisitraka “Vatsy tsinjo” tao amin’ny boriborintany I

Tsy diso anjara tamin’ny fanampiana sosialim-bahoaka avy amin’ny Fitondram-panjakana ireo fianakaviana marefo, ao amin’ny boriborintany voalohany, omaly. Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena mihitsy no nidina ifotony nizara ny fanampiana “Vatsy tsinjo” teny amin’ny ENS Ampefiloha…

Ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, nizara ny fanampiana.

Araka ny baiko nomen’ny Filohan’ny Repoblika, nidina an-tsehatra daholo ireo minisitera rehetra, amin’ny fizarana sosialim-bahoaka, indrindra ny eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Nisy, araka izany, ny toromarika sy fandrindrana samihafa mahakasika ny fizarana. Tonga nanatanteraka ny fizarana “Vatsy tsinjo” ho an’ireo olona marefo omaly maraina, tao amin’ny boriborintany voalohany, ny Jly Rakotonirina Richard minisitry ny Fiarovam-pirenena ary nandray andraikitra feno amin’ny fizarana ireo fanampiana.

Fokontany miisa 14 tao amin’ny boriborintany voalohany no nisitraka ny “Vatsy tsinjo”, teny amin’ny ENS Ampefiloha. Ny minisiteran’ny Fiarovam-pirenena no nandray an-tanana tanteraka nandritra ny fanisana ireo mponina marefo sy amin’izao fizarana fanampiana ara-tsosialy azy ireo. Vary iray kitapo isaky ny karine miampy menaka 2 litatra, sy ronono roa boaty ary tambavy CVO, niampy voamaina no azon’ireo olona marefo tao an-toerana, iatrehana ny fahasahiranana ara-tsosialy, vokatry ny « Krizy ara-pahasalamana » atrehin’ny Firenena. Misy koa ny fanomezan-tanana avy amin’ireo minisitera hafa, ao amin’ity boriborintany voalohany ity, mba hahaingana ny fizarana ireo fanampiana avy amin’ny Fitondram-panjakana.

Nohamarinina tsara ny karine andraisana ny fanampiana

Samy nahazo  ny anjarany…

Saika efa nisitraka ny “Vatsy tsinjo” avokoa ireo  boriborintany miisa enina teto Antananarivo renivohitra. Vao  ny herinandro lasa teo, nahazo ny anjarany, ny teny amin’ny boriborintany fahenina. Araka ny fanadihadiana, mponina miisa 2722 avy amin’ny Fokontany dimy, ahitana an’Ambodimita, Ambodivoba, Anjanakoboro, Amorona ary Anosibe Izaivola no nisitraka izany. Teny an-toerana niara-nandrindra ny fizarana tamin’ny ekipan’ny Faritra Analamanga, izay notarihin’ny Governora, ny minisitry ny Mponina, Fiahiana ara-tsosialy ary ny fampiroboroboana ny Vehivavy. Mitohy hatrany ny fanatsarana sy fandrindrana ny fizarana ity fanampiana ara-tsosialy ity, hoy ireo tomponandraikitra, noho ny fiaraha-miasa matotra miaraka amin’ny kaominina sy ny delege ary ny depiote.

Fermer