
PolitikaSongadim-baovao
SYNAD: Miantso fitoniana sy fihaonana an-databatra boribory
Eo anatrehan’ny toe-draharaha eto amin’ny firenena izay misavorovoro ankehitriny, ny Birao nasionalin’ny « Administrateur civil » na ny « SYNAD » dia namoaka fanambarana. Voalohany amin’izany ny fiondrehan’izy ireo am-panajana amin’ny fianakavian’ireo rehetra namoy ny ainy tamin’ny hetsika fitakiana noho ny fahatapahan’ny jiro sy rano manerana ny Nosy, ary ny firarian-tsoa ho an’ireo mbola mandalo fitsaboana. Manarak’izany, nambaran’izy ireo fa « Zo fototra ny fahafahana maneho hevitra an-kalalahana sy am-pilaminana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara ao anatin’ny fanarahan-dalana ». Melohin’ny SYNAD kosa ny fandrobana, ny fandravana fananan’olona sy ny fananana iombonana. Tany tan-dalàna i Madagasikara ka niantsoany ny hitandroana toy ny anakandriamaso ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna velona misy eto amin’ny Firenena. Miantso fivoriana an-databatra boribory tarihin’ireo Raiamandrenim-piangonana andraisan’ireo teknisianina sy hery velona rehetra anjara amahana haingana ny krizy tsy hahalasa sorona ny fiainam-pirenena ny SYNAD. « Raha mitarazoka ny famahana ny olana dia ho potika ny toekarena ary hijaly ny vahoaka ». Manaitra ny mpitondra rehetra hahay haka lesona ka hijery manokana ny sosialim-bahoaka sy izay tena laharam-pahamehana mba tsy hiverenan’ny tranga toy izao intsony ihany koa ity sendika ity, ary miantso ny rehetra mba samy ho tony, hampandefitra ny hambom-po sy hikatsaka mandrakariva ny tombontsoa ambonin’ny Firenena. Farany, mampahery ireo « Administrateurs Civils » rehetra manatanteraka ny asany eny an-kianja amin’ny maha kitro ifaharan’ny Firenena ny birao nasionalin’ny SYNAD.
Ny Fanoratana.




