
PolitikaSongadim-baovao
«SYNDICAT AUTONOME DES INSPECTEURS DU TRAVAIL»: Mitaky ny hamoahana ny sata manokana mifehy azy ireo
Mahatsapa ry zareo avy ao aminny «Syndicat Autonome des Inspecteurs du Travail» fa marary ny tontolonny asa sy ny fampanananasa eto Madagasikara. Nandritra ny fanambara nataonio sendika hivondronanireo mpiasa nivoaka avy teny anivonny ENAM io, teny Antsahavola omaly, dia nohamafisinizy ireo ny fitakiana famerenan-kasina ny mpiasam-panjakana. «Zava-dehibe ny andraikitray», hoy i Ravelomahatratra Rojo Mampionona filoha mpitarika ny sendika, satria anisanny mandray anjara goavana aminny fampandrosoana ny ara-tsosialy sy ny ara-toekarena eto aminny firenena izy ireo.
Araka izany, manamafy hatrany ny fitakianizy ireo izay efa natombony taminny taona 2020 ny «Syndicat Autonome des Inspecteurs du Travail», ao anatinizany famerenan-kasina ny sehatry ny fampanananasa sy ny asa izany. Ho fanatanterahana izany dia mila hamoahana sata manokana mifehy azy ireo ny «inspecteur du travail», hoy ny sendika, ary ny fanatanterahana dia hahafahana miantoka ny fahaleovantenanny asanizy ireo. Ho anny fanovana rafitra manaraka eo, takianio sendika io ihany koa ny hanomezan-danja ireo mpiasa tena teknisiana. «Mitaky izahay fa tokony ho teknisianina avy aminny inspecteur du travail no misehatra ao anatinizany rafitra vaovao izany», hoy ny tomponandraikitra. Fangatahanizy ireo ihany koa ny tsy hisianny teritery intsony fa hanatanteraka ny asa ao anatinny fahalalahana. Farany, ny fitakianny sendika mahakasika ny tokony hamerenana handrafetana sy hampiharana indray ny politikanny fampanananasa. Tsara ny manamarika fa efa nisy io politikanny fampanananasa io taminny taona 2005 saingy nofoanana izany taty aoriana. Vonona ny hanolo-tanana aminny famolavolana ny drafitra mitondra ho aminizany ny «Syndicat Autonome des Inspecteurs du Travail».
S.S




