SamihafaSosialy

TAFIKA AN-DRANOMASINA : Novatsian’ny Kaomision’ny Ranomasimbe Indiana fitaovana

Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaomision’ny Ranomasimbe indiana sy ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina no antony nanolorana fitaovana ara-kajy mirindra ny Tafika an-dranomasina. Fandaharanasa Mase, izay vatsian’ny Vondrona eoropeanina ireo fanomezana azo, afakomaly ireo…

Tanjona ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta.

Nanolotra fitaovana ara-kajy mirindra ho an’ny Etamazaoron’ny Tafika an-dranomasina ny Kaomision’ny Ranomasimbe Indiana na « Commission de l’Océan Indien », amin’ny alalan’ny fandaharanasa Mase « Maritime Security » izay vatsian’ny Vondrona eoropeanina. Vokatry ny fifanaraham-piaraha-miasa an-dranomasina aty amin’ny ranomasimbe Indiana izany.  Nanolotra izany tamin’ny fomba ofisialy ny « Capitaine de Vaisseau » Ga Jacquy Honoré, izay lehiben’ny CEMN, ny Capitaine de Vaisseau Ramarozatovo Andriamiharisoa, avy amin’ny Foibe ivon’ny fandaharanasa Mase eto Madagasikara, teny amin’ny toeram-piasany  Ambohidahy, ny afakomaly teo, ary narahina fifanaovan-tsonia teo amin’ny roa tonta izany. Tanjon’ny fandaharanasa « Mase » ny hampiroboroboana ny fiaraha-miasa amin’ireo mpisehatra amin’ny fampandriana fahalemana an-dranomasina ka nanolorany « camera », »tablette » ary ordinatera.

Marihina fa ireo fitaovana ireo dia ho ampiasaina amin’ny fandrindrana ireo iraka an-dranomasina sy manampy amin’ny fifandraisana ary fifaneraserana eo amin’ny Tafika an-dranomasina sy ny « Centre Régional de Coordination des Opérations » (CRCO), ny « Centre de Fusion d’Informations Maritime » na ny CFIM, ny « Centre Régional de Fusion d’Informations Maritimes»  ary ny « Centre Régional de Coordination des Opérations en Mer» na ny  CRCOM any amin’ny Nosy Seychelles.

Ampahany amin’ireo fitaovana azon’ny Tafika an-dranomasina.

Taratry ny fiaraha-miasa amin’ny ho avy izao fampitaovana notanterahin’ny Kaomision’ny Ranomasimbe Indiana izao, izay manampy ny Tafika an-dranomasina amin’ny fanatanterahana ny andraikitra ankinina aminy, toy ny fiarovana sy fanaraha-maso ny sisi-dranomasina sy ny ao anatiny dia ny fiarovana ireo harena an-dranomasina sy ny fivezivezena. Tonga nanome voninahitra ny fotoana ny Capitaine de Vaisseau Razafindraibe Franck, Tale Jeneralin’ny CFIM sy ny tomponandraiki-draharaha eo anivon’ny Vondrona eoropeanina, Atoa Sergiusz Wolski ary notronin’ireo tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny Tafika an-dranomasina.

Fermer