
Songadim-baovao
Tafika anabakabaka : Niezaka nanasoa vahoaka nandritra ny 60 taona
Feno 60 taona omaly, ny Tafika anabakabaka. Tsy nisy ny hetsika noho ny Hamehana ara-pahasalamana, saingy nisy ny kabary nataon’ny minisitry ny Fiarovam-pirenena. Miezaka mamerina ny hasin’ny Tafika anabakabaka ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny fampitaovana azy ireo, entina hanasoavana ny fiainam-bahoaka…

27 aprily 1961- 27 Aprily 2021 : feno 60 taona omaly, ny Tafika anabakabaka malagasy. Ny 27 avril 1961 no niforona ny Eskadrila voalohany nandrafitra ny tafika anabakabaka. 60 taona izay nanan-danja tokoa teo amin’ny tantaran’ny Tafika Malagasy sy ny Firenena. Nisy ny fotoan-tsarotra nolalovan’ity antokon-tafika ity noho ny tsy fananana fiaramanidina afa-miasa, saingy ankehitriny efa rivo-baovao no iainan’ny Tafika anabakabaka malagasy. Izany dia noho ny ezaka ataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny Fitondram-panjakana, izay nanome fanampiana eo amin’ny fampitaovana sy nanao vaindohan-draharaha ny famerenana ny hasin’ny Tafika anabakabaka. « Manavotra aina ianareo, hatramin’izay ka hatramin’izao. Singaniko manokana na amin’ny famonjena ireo vahoaka tratran’ny ranobe, na ny eo amin’ny sehatry ny Kere, izay nitateranareo ny fitaovana nenti-namonjy ireo havantsika any Atsimo, na amin’ny sehatry ny tsy fandriampahalemana, tahaka ny amin’ny fanarahan-dia ireo dahalo », hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotonirina Richard tamin’ny lahateny fanamarihana ny faha 60 taon’ity antokon-tafika ity. « Ankasitrahana feno ny Fitondram-panjakana nanome ireo fitaovana ireo nahafaha-nanasoa ny mpiara-belona », hoy hatrany izy nanohy ny lahateniny.
Horonantsary no entina hanamarihana…

Noho ny « Hamehana ara-pahasalamana » misy eto amin’ny Firenena, dia ny horonantsary mikasika ny tantaran’ny Tafika anabakabaka sy ny asan’izy ireo no hasongadina, amin’ny sabotsy 1 Mey ho avy izao, entina hanamarihana ny faha-60 taona. Nitsidika ny Tobin’ny Tafika anabakabaka any Arivonimamo kosa, ny Lehiben’ny Etamazaoron’ny Tafika Anabakabaka, ny Jly Andrianarijaona Mamy omaly, nanara-maso ny fandrosoan’ny asa amin’ny fanamboarana ilay toeram-panofanana ho an’ireo handrafitra ny Tafika anabakabaka na ny « Académie de l’Air » any Arivonimamo. Etsy ankilany, mitohy hatrany ny sidina fanazarantena niainga avy ao Arivonimamo namonjy ny Bani Ivato ho fanatsarana ny fahaiza-manaon’ireo mpanamory. Ny Tafika anabakabaka malagasy dia nanamarika ny tantaran’i Madagasikara amin’ny fandraisana anjara amin’ny fiarovana ny faritr’habakabaka, izay miantoka ny fiandrianam-pirenena.
Hatramin’ny nahazoana ireo fitaovana vaovao toy ny angidimby sy fiaramanidina ny taona 2019, avy tamin’ny Fitondram-panjakana dia miompana indrindra amin’ny fanampiana ny vahoaka amin’ny fiarovana amin’ny ambana maro lafy, ny fanavotana ny ain’ireo mpiray Tanindrazana ary ny fanohanana amin’ny fampandrosoana no mampiavaka azy. Isan’izany ny famonjena ireo mponina niharan’ny tondra-drano, ny fitaterana ny fanafody hiarovana amin’ny valan’aretina Covid 19. Ary amin’izao fanavaozan-drafitra eo anivon’ny Tafika Malagasy izao, dia napetraka tamin’ny taona 2020 ny Etamazaoron’ny tafika an’habakabaka. Nisy koa ny fametrahana ny « Base 213 » etsy Arivonimamo ary ny fananganana ny « Académie de l’Air » satria dia anisan’ny laharam-pahamehana ny fanatsarana ny traikefa sy fahaiza-manaon’ireo mpanamory sy teknisianina misehatra ao amin’ny Tafika Anabakabaka. Mitohy koa ny ezaka ataon’ny Fitondram-panjakana, ary tsy ho ela dia hipetraka ny « Détachement Air » ao Antsohihy sy ao Ihosy, mba hanamorana sy ny fainganana ny fomba fiasa amin’ny hetsika fampandriana fahalemana. « Ankehitriny, manana andraikitra goavana amin’ny ady amin’ny Covid-19 koa ianareo. Mankahery ary mirary anareo hitondra avo hatrany ny firenentsika sy hanavotra hatrany ny vahoaka malagasy. Ho an’ny tanindrazana », hoy hatrany ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena teo am-pamaranana ny lahateniny.




