Songadim-baovao
TAFIKA MALAGASY – FRANTSAY : Notsarovana ny faha-102 taona nitsaharan’ny ady lehibe I
Notontosaina omaly ny fametrahana fehezam-boninkazo tetsy ami’ny Tsangambaton’ny Farihin’Anosy. Ho fanamarihana ny fampitsaharana ny Ady lehibe I no vontoatin’ny lanonana. Nitarika ny fotoana ny minisitry ny Fiarovam-pirenena…

Nomarihina tamin’ny fametrahana fehezam-boninkazo tetsy amin’ny Tsangambaton’ny farihin’Anosy ny lanonam-pahatsiarovana, ny fampitsaharana ny Ady lehibe I. Toy ny firenena maro maneran-tany, indrindra ny firenena Frantsay sy ireo firenena Afrikanina maro nozanahany, nahatsiaro ny fampitsaharana ny Ady Lehibe Voalohany, ny 11 Novambra 1918 i Madagasikara. Nitarika ny fotoana sy nanome voninahitra izany ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Rakotonirina Richard sy ny Masoivohon’ny Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara, Atoa Christophe Bouchard. Nandritra ny kabariny no nanambaran’ny Masoivohon’i Frantsa eto Madagasikara fa mifandrohy ny tantaran’ny Firenena roa tonta, ka rariny raha mahatsiaro ny soa nataon’ireo miaramila Malagasy nirotsaka an’ady niaro ny fahafahana ny Firenena frantsay.

Ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena kosa, dia nampahatsiahy ny herim-po sy ny fahasahiana nananan’ireo mpianady malagasy nahafoy tena ka niondrana an-tsambo hanavotra ny firenena Frantsay, izay efa trotraky ny ady tamin’ny taona 1915. Nanambara koa izy fa mendrika ho alain-tahaka ny toetran’ireto Miaramila malagasy, niady niaraka tamin’ny Tafika frantsay ireto. Tiana ny mampahatsiahy fa misy hatrany ny fandefasana horonantsarimihetsika fanadihadiana, nahatsiarovana ireo tanora niatrika ny ady lehibe voalohany sy faharoa, izay hatao ao amin’ny Fitaleana misahana ireo mpiady tranainy ONMAC, ao Antsahamanitra, hatramin’ny 13 novambra 2020. Hampiavaka ity fanamarihana ity, ny fanasana sy fanentanana ireo tanora malagasy hanatrika izany fotoana izany entina hampitana ny fandraisana andraikitra sy ny fahasahian’ireo zokiny nanova ny tantaran’izao tontolo izao.




